airtel

Fampianarana

17-juin-2026

Kaominina alasora

Tsy maharaka ny fitombon’ny

Sample post image

mponina ireo sekolim-panjakana

17-juin-2026

Maro ny ezaka ataon’ny ben’ny tanana sy ireo mpiara miasa aminy ao amin’ny kaominina alasora ao. Isan’ny tena hanaovan’izany ny sehatry ny fampianarana. Hatry ny ela no efa tsy ampy ny sekolim-panjakana tao amin’ity kaominina ity, indrindra ny EPP na ny sekoly fanabeazana fototra. Fokontany 20 no mandrafitra ny kaominina kanefa dia mbola misy ireo fokontany tsy manana EPP akory. Ankoatra ireo fokontany ireo anefa dia maro ireo tanàna vaovao miorina ka tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny mponina. Efa nisy ihany ny ezaka natao hoy ny ben’ny tanana Jimmy Randriantsoa tamin’ny fananganana EPP tamin’ireo fokontany izay tena mila izany saingy mbola tsy ampy. efa nahazo EPP vaovao ohatra ny tao amin’ny fokotany Amboaroy, Ambatomalaza, Ambodivoindava,…. Isan’ireo itadiavan’ny kaominina vahaolana amin’izao fotoana izao ny hananganana sekolim-panjakana manamorona ny By Pass satria tsy mitsahatra ny fitombon’ny mponina eny kanefa tsy misy ny sekoly handraisana ireo zana-bahaoaka. Toy izany ihany koa ny ao amin’ny fokontany Ankadindratombo, Est Mahazoarivo, Sud Ambohipo. Eo am-pitadiavana ny tany hanorenana sy ny mpiara-miombon’antoka hifanampy amin’ny fananganana izany izahay ankehitriny, hoy ny ben’ny tanana .
Solotiana
 

Dans la même rubrique

17-juin-2026

Nizara sakafo ho an'ireo mpianatra niatrika

Card image cap
17-juin-2026

Tombanana hivoaka amin'ny Alahady 21 Jona

Card image cap
16-juin-2026

Tontosa omaly ny fanolorana

Card image cap