airtel

Fampianarana

15-mai-2024

KAOMININA AMBOHIDRAPETO

Hampianatra informatika maimaim-poana

Sample post image

Tafakatra 70% ny tahan’ny tsy fananan’asa mahazo ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika.

15-mai-2024

Lasa mirenireny avokoa ny ankamaroan’izy ireny noho izany na nahavita fianarana ara-dalana na tsia. Manoloana io tranga io dia nandray fepetra mifananindry amin’izany ny Ben’ny tananan’Ambohidrapeto, Mihary Andriantsilavo ho fanampiana ireo tanora ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano. Hampianatra informatika maimaim-poana izy ireo amin’ny Sabotsy 18 May ho avy izao ao amin’ny biraon’ny kaominina Ambohidrapeto ihany. Karazan-javatra maro no hianarana mandritra izany toy ny informatique bureautique, ny fikirakirana internet ary ny dactylographie. Ao amin’ny biraon’ny kaominina ihany ny fisoratana anarana amin’io andro io. Tanjona ny hanampiana ireo tanora mba hahita asa avy hatrany na dia hanao saisie fotsiny ihany aza, hiarovana azy ireny amin’ny fidonanam-poana. Vokatr’io tsy fisian’asa io tokoa mantsy dia marobe ireo lasa miloka sy mifoka isaky ny elakelan-trano, antony mampirongatra ny fanolanana sy ny tsy fandriampahalemana misy ankehitriny.
Pati Legende : Hahazoana asa haingana ny fahaizana mikirakira ny informatika !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap