airtel

Fampianarana

15-juin-2026

KAOMININA ANKADIKELY ILAFY

Mpianatra 700 isa notolorana fitaovana

Sample post image

Mpianatra maherin'ny 700 isa hiatrika

15-juin-2026

ny fanadinam-panjakana CEPE rahampitso Talata 16 Jona ao amin’ny ZAP Ankadikely Ilafy, distrikan'Avaradrano no nisitraka fitaovam-pianarana maro samihafa. Ho fanamaivanana ny fahasahiranan'ireo Ray aman-dReny no anton'izany arahin'ny fampiharana ny fampitoviana ny fitaovana izay hampiasan'izy ireo mandritra ny fanadinana mba tsy hanimba ny sainy. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Kaominina Ankadikely Ilafy no angady nananana sy vy nahitana izany. Mpianatra avy amin'ireo sekoly ambaratonga fototra miisa 7 no nahazo tombontsoa toy ny EPP ao Belanitra, Ambohitrarahaba, Ankadikely, Andrononobe, Ambohitrarahaba, Ambohipanja ary Andafiavaratra. Tao anatin'ny hafaliana tanteraka no nandraisan'ireo mpanatra ny fitaovana. Toraka izany koa ireo Ray aman-dReny izay tsiahivina fa tsy mañana fahafahana ny hividy vaovao ny ankamaroany.
Pati
Légende : Tonga nanolotra ny fitaovana Rtoa Ministry ny Fanabeazam-pirenena !
 

Dans la même rubrique