ny tanora ny kaominina Bemasoandro, distrikan'Atsimondrano tarihin'ny Ben'ny tanana Ranitratsilo Jimmy. Fampiofanana Boost Page sy vente en ligne no nataon'izy ireo nandritra ny 24 ora hahafahan'ireo tanora mahazo asa mahavelona. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia mahatratra 30.000 Ar no saran'izany raha handoavam-bola. Maimaimpoana anefa ny fampiofanana tao amin'ity kaominina ity niarahana tamin'ny Espoir Mada. Fantatra moa fa notolorana certificat avokoa ireo niatrika ny fiofanana ho fanamarinana ny fiofanana narahiny. Teknika hampiasain'ny kaominîna Bemasoandro moa ny hoe : manome fintana fa tsy trondro. Zarina hikaroka ihany koa ny olona fa tsy toloram-potsiny hahafahany mamorona asa ho an'ny tenany sy mivoatra amin'ny fiainana. Hitohy amin'ny sehatra hafa izany raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana hatrany.
Pati
Légende : Ireo tanora mpiofana notronin'ny Ben'ny tanana Ranitratsilo Jimmy !