airtel

Fampianarana

18-juin-2024

Kaominina Ivato Centre Amoron’i Mania

Zazalahikely tokony hanala CEPE maty notifirin’ny jiolahy

Sample post image

Tsy milamina ny tany amin’ny Faritra Amoron’i Mania.

18-juin-2024

Zazalahy kely tokony ho 13 taona no lavon'ny balan'ireo jiolahy ny takarivan’ny alahady tokony ho tamin'ny 7ora sy sasany teo tao amin'ny Kaominina Ivato Centre Fkt Ambalalehibe Vohibory Ambony. Omby 8 be izao no ihany koa no lasan'ireo jiolahy tao amin'ity tokan-trano ity ihany. Araka ny fantatra, tokony hanala fanadinana CEPE anio ity zaza nindaosin'ny fahafatesana ity araka ny fitantaran'ny Rainy, araka ny notaterin’ny fampahalalam-baovao iray. Nijery ifotony ny zava-misy ireo manam-pahefana notarihin’ny Governoran'ny Faritra Amoron'i Mania Rakotomandimby Désiré sy Andriamatoa Préfet Ambositra Rakotomalala Richard niaraka tamin'ny ben'ny tanana tao an-toerana sy ireo mpitandro filaminana dia tonga avy hatrany tany an-toerana nijery ny zava-misy ary nitondra izay voatsirambin'ny tanana sy nampionona ireto fianankaviana ireto. Ilaina ny fifanomezantanan'ny tsirairay ary hitady fomba ihany koa izy ireo hifehezana ny tsy fandriampahalemana, raha ny nambaran’ny governora, hoy hatrany ny tati-baovao avy any an-toerana. Tena mihantra aman’aina ny tsy fandriampahalemana. Ny kaominina Ivato Centre, dia isan’ireo efa nanaovana hetsika fanentanana mba hanaterana ireo basy tsy ara-dalàna, ka taorian'ny fanentanana nisesisesy ny amin'ny hiraisan-kina amin'ny Tagnamaron'ny fandriampahalemana, dia basy tsy manara-dalàna miisa 123 no naterina tao amin'ny zandarmaria Ivato Centre nandritra ny 2021-2022. Henjana ny tsy fandriampahalemana, dia mafampana ihany koa ny politika amin’ny distrika sasany ao Amoron’i Mania taorian’ny fifidianana solombavambahoaka.
Toky R
 

Dans la même rubrique