fitakiana fialan'ny Talen'ny CEG
Fifanojoan-javatra ihany sa misy antony manokana, fa samy mandalo savorovoro ny CEG Marojoala any amin'ny Distrikan'i Sambava, Faritra SAVA sy ny ao amin'ny CEG Sahamadio any amin'ny Distrikan'i Fandriana, Faritra Amoron'i Mania. Ny mpianatra no mitaky ny fialan’ny talen-tsekoly ao amin’ny CEG Marojala. Nivoaka ny tokotanin-tsekoly izy ireo ary nanao diabe namakivaky ny tanàna, omaly, nitaky ny fametraham-pialan’ny talen-tsekoly, izay sady Ben’ny tanàna ao Marojoala ihany koa. Nilaza ireo mpianatra fa tsy hijanona ny grevy raha tsy tanteraka ny fitakian'izy ireo. Tao Sahamadio indray dia olana eo amin'ny mpampianatra sy ny talen'ny CEG. Nisy ny fihetsiketsehana nataon'ireo mpampianatra ny Alatsinainy teo ary nanamafy ny fitakiana amin'ny fanalana ny Tale amperin'asa izy ireo.
Jean D.
Mpianatry ny CEG Marojoala nidina an-dalamabe omaly