airtel

Fampianarana

08-avril-2022

Fampianarana

Kaominin’i Talatamaty Entanina ho lasa siantifika ireo tovovavy mpianatra

Sample post image

Ny 30%-n’ny tovovavy eto amintsika no nisafidy ny taranja siantifika tamin’ny taona 2020 raha araka ny fantatra.

08-avril-2022

 Tokony hampitomboina hatrany izany mba hisy fiantraikany amin’ny fiainan’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny mihitsy indrindra fa fiainan-tokantrano. Rehefa ny vehivavy mantsy no siantifika raha araka ny fanazavan-dRamarolahy Mamisoa, mpampianatra eo anivon’ny lisea Talatamaty distrikan’Ambohidratrimo dia hainy ho azy ny mandamina ny fiainany. Vitany ohatra ny manodika ireny tavoahangy plastika ireny ho lasa fitaovana azo hampiasaina indray fa tsy voatery hilalao formule foana. Vitany ihany koa ny mamadika ny fako ho lasa harina handrahoan-tsakafo na koa zezika izay hitondra zavatra mahasoa hafa indray hampihenana ny fandaniana ao an-trano. Hain’ny vehivavy siantifika ihany koa ny mandanjalanja ny sakafo omeny ny ankohonany ka anisan’ireny ireo feno hery fiarovana….Antony nanaovana fanentanana ireo ankizy mpianatra ao amin’ny kilasy faha-10 eo anivon’ny lisea Talatamaty izany omaly, natrehin’ny Ben’ny tanana Randrianoasy Elie Dominique sy ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana eny amin’iny faritra iny. Nomarihina omaly rahateo ny andro siantifika. Nahaliana ny mpianatra ny fanentanana tamin’ny ankapobeny. Niarahana tamin’ny UNESCO rahateo izany. Marihina moa fa miisa 600 ny mpianatra eo anivon’ity lisea iray ity ka ny 30%-n’ireo dia ao amin’ny kilasy faha-10 avokoa.
Pati
 

Dans la même rubrique