airtel

Fampianarana

02-déc-2025

Karaman’ny mpampianatra aty amin’ny EPP

«Tokony ho 2 Tapitrisa Ariary!»

Sample post image

Nampahatsiahy tetsy amin’ny

02-déc-2025

Pho Resto Ampasamadinika omaly ny Kaonfederasionina sendikalin’ny SEMPAMA fa niharitra ny mangirifiry izy ireo tanatin’ireny tolona nisy teto amin’ny firenena farany teo ireny. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny teto Antananarivo fotsiny, hoy ny fanambaràn’izy ireo, dia miisa 6 ireo tena voa mafy tanatin’ireny baomba mandatsa-dranomaso sy voatifitry ny bala. Na teo aza nefa ny takaitra navelan’izany rehetra izany dia mbola ny hafaliana sy ny fahamaivanana noho ny naha afa-patorana no mameno ny saina. Mbola hantintraterina ny fankasitrahana ny filoha, Kolonely Michael Randrianirina, sy ny CAPSAT. Ny mpampianatra mpanabe no fototra sy andrin’ny fanovàna. 2 volana no nomen’ny Kolonely ireo minisitra rehetra hanehoany ny fanovàna. Raha ny ato amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no itarafana azy, izay 1 volana eo sisa, dia manahy ihany ireto sendikan’ny mpanabe ireto fa toa olona tsy manam-panapahan-kevitra hentitra i ramatoa minisitra? Efa manana ilay volavolana didim-panjakàna na «projet de décret» ny kaonfederasionina, izay mamerina ny hasina maha mpampianatra mpanabe ny mpampianatra mpanabe mametraka azy ireo amin’ny toerana sahaza azy. Ho fanomezam-boninahitra azy dia tokony ho 2 Tapitrisa Ariary ny karaman’ny mpampianatra aty amin’ny EPP! Ny FRAM indray dia antsoina hoe «Agent publique» na mpiara-miasa amin’ny mpanabe vahoaka, araka ny fanapahana lany teo amin’ny CSFOP na filankevitra ambonin’ny asam-panjakàna. Mampahatsiahy ny birao nasionaly fa afaka fotoana fohy dia hisy ny fikaonandoha iarahana amin’ny mpampianatra sy mpanabe rehetra manerana an’i Madagasikara atao eto Antananarivo renivohitra ho fampahafantarana ny adidy sy andraikitra miandry ny mpampianatra sy mpanabe mankany amin’ny fanovàna. Azo atao ny manome karama mendrika ho an’ny sehatra rehetra fa tsy ny fanabeazana ihany satria misy ny vola, hoy hatrany ireto mpanabe ireto, raha tsy hiresaka fotsiny ny mikasika ny tokony hanodinana araka ny tokony ho izy an’i Tsimiroro isika.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-déc-2025

Vakoka ho an'ny ankizy sy ny tanora

Card image cap