airtel

Fampianarana

12-juil-2021

Fampianarana

Laza adina BEPC Efa tonga ny anjaran'i Sainte-Marie, Nosy-Be…

Sample post image

Tonga afak’omaly sabotsy 10 jolay ny laza adina BEPC ho an'ny Fari-Piadidiam-pampianarana Sainte-Marie, Nosy Be, Maevatanana….

12-juil-2021

Tonga nitsena ny laza adina BEPC tany amin'ny seranam-piaramanidina Fascène Nosy-Be miaraka amin'ny mpiara-miasa aminy ho an’ity faritra ity ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. "Miisa 15 ireo baoritra misy ireo laza adina miaraka amin'ny "grille de correction" sy ny toromarika mahakasika ny fanadinana. Hentitra ny fiarovana ireo laza adina ireo" hoy ny lehiben'ny fari-piadidiam-pampianarana Nosy-Be. Tonga tamin’ny sabotsy 10 jolay 2021 tamin'ny 2 ora maraina teo ihany koa ny laza adina BEPC ho an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Maevatanana, Tsaratanana, Kandreho, izay mandrafitra ny Fitaleavam-Paritry ny Fanabeazam-pirenena Betsiboka. Hitohy hatrany ny fitsinjarana izany mandritra ity herinandro ity raha hanomboka amin’ny 19 jolay ho avy izao kosa ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy haharitra 4 andro.
Pati

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap