airtel

Fampianarana

08-juil-2025

Laza adina BEPC niparitaka

Tsy hamelana ireo tompon’antoka

Sample post image

Niteraka fanehoan-kevitra sy fahatezerana manerana ny tambajotra sosialy sy ny

08-juil-2025

fiarahamonim-pirenena indray ny tranga vaovao mahakasika ny fiparitahan’ny fanontaniana fizika-simia tamin’ny fanadinana BEPC 2025, tany Ambatondrazaka. Niantso fanasaziana tsy misy indrafo na “tolérance zéro” ho an’ireo tompon’andraikitra tafiditra amin’ity raharaha ity ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, notarihan-dRamatoa Minisitra Sahondramalala Marie Michelle. Efa napetraka amin’ny fomba ofisialy ny fitoriana ataon’ny Ministera, ary efa tafapetraka eo am-pelatanan’ny Polisy misahana ny heloka an’habaka (cybercriminalité) ny raharaha. Nambaran’ny manam-pahefana fa hohenjehina araka ny lalàna sy hanaovana fanadihadiana hentitra satria fanitsakitsahana goavana satria fanimbana ny ho avin’ny tanora ny fanaparitahana fanontaniana alohan’ny fotoana. Raha mbola tsy maty akory ny resaka fanaratsiana vokatry ny olana tamin’ny Bakalorea tao anatin’ny taona maro, dia niampy indray izao fahitana “fuite de sujet” izao, izay saika zary tsy vaovao intsony eto amintsika. Raha mijery ny tantaran’ny fanadinam-panjakana tato anatin’ny taona vitsivitsy, tsy vao izao no nisy tranga toy izao. Tamin’ny andron’ny Minisitra Blanche Richard ny taona 2019, nisy savorovoro sy tsy fahatomombanana teo amin’ny fikarakarana ny fanadinana bakalorea, nisavoritaka noho ny laza adina nialohan’ny fotoana,...Tamin’ny 2023, nampiasa labozia tamin’ny fanaovana fanadinana Bakalorea ny tanora mpianatra tany amin’ny faritra maro noho ny fahatapahan-jiro goavana. Tamin’ny CEPE farany teo, nampiady hevitra ny nampidirana mpianatra 4 tsy tao anaty lisitra ara-dalàna tany Mahajanga II izay nolazaina fa nasolo ireo tsy tonga ka asa hoe efa fantatra nialoha izany fa hisy tsy hiatrika ? Taorian’ny BEPC teo izay nizotra nilamina tamin’ny ankampobeny na nisy aza ny laza adina niparitaka dia manomboka mandeha ihany koa ny serasera amin’ny tambajotran-tserasera mikasika ny laza adina bakalorea 2025 miparitaka sy misy manao fitadiavam-bola izay mety ho fanakorontanana sain’ny mpiadina kanefa tsy azo hamaivanina ihany koa ny mety fahamarinany na fahadisoany. Midika izany rehetra izany fa misy lesoka lalina sy rafitra tsy matotra amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fanadinam-panjakana eto amin’ny Firenena.
MITOTONGANA SY HAMAIVANINA NY FANABEAZANA
Tsy raharaham-panjakana tsotra fotsiny intsony izao, fa krizin’ny fanabeazana. Miantso andraikitra amin’ny fitondram-panjakana manontolo, amin’ny rafi-pitsarana, ary amin’ny olom-pirenena tsirairay izao raharaha izao. Education Index (UNDP 2023). Mbola adihevitra hafa ny fanamaivanana ny fanabeazana sy fampianarana izay zara raha 1,75% amin’ny harin-karena faobe na PIB hatreto raha ny vola haompana aminy, raha toa ka 4 ka hatramin’ny 6% eo ny fenitra iraisam-pirenena apetraky ny UNESCO. Mitana ny laharana 177ⁿᵉ amin’ny firenena 187 i Madagasikara amin’ny kalitaon’ny fanabeazana (UNDP 2023). Tsy mahataitra ny mpitondra satria ny zanak’izy ireo tsy ampianarina eto fa any ivelany…
Toky R

 

Dans la même rubrique