airtel

Fampianarana

26-mars-2024

LISEA EDENAH AMBOHIMANARINA

30 taona nanabeazana zana-bahoaka

Sample post image

30 taona nanabeazana zana-bahoaka teny Ambohimanarina sahady ny lisea tsy miankina Edenah.

26-mars-2024

Tsy handalo fotsiny izany fotoan-dehibe izany ho azy ireo. Vavaka lehibe nentina nisaorana sy niderana an’Andriamanitra noho ny fitantanany no nisantarana izany ny faran’ny herinandro teo, hetsika notanterahina tao amin’ny FJKM Antanety Fitahiana. Narahina filaharambe namakivaky ny tanana notanterahin’ny mpianatra. Raha araka ny fantatra dia mbola ivon’ny fankalazana ihany io notontosaina io. Mbola hitohy amin’ny fitsangatsangana iraisana sy ny fijerena ireo mahasoa ny mpianatra mantsy izany amin’ny volana Aprily ho avy io. Anisan’ireny ny fanatsarana ny fitaovana hampiasaina ao an-tsekoly, ny kalitaon’ny fampianarana mba hiakatra hatrany ny voka-panadinana…Tsiahivina moa fa marobe ireo olona manana ny maha-izy azy efa navoakan’ity sekoly tsy miankina iray eny Ambohimanarina ity izay mbola ezahin’ireo tompon’andraikitra hotohizana.
Pati
Legende : Nameno fiangonana tahaka izao ny mpianatra nisaotra an’Andriamanitra !

 

Dans la même rubrique