foto-drafitrasa ahitana efitrano miisa roa efa misy latabatra sy seza fianarana ary solaitrabe miloko mainty. Angady nananana sy vy nahitana izany ny orinasa STAR. Misy ozinin’izy ireo mantsy ao amin’ity fokontanin’ i Mahazina ity. Ankoatra izay dia mbola hiezaka hijery ireo maharary ny mponina izy ireo hahafahana mampandroso ny lafiny ara-toekarena sy sosialy ao amin’ity kaominina iray ity. Tonga nanatrika izany ny sekretera jeneraly eo anivon’ny repoblika sy ny talen’ny fampianarana avy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa Star fa mitondra ny anjara birikiny hatrany izy ireo amin’ny fampivoarana ny fiaraha-monina misy azy. Anisan’izany ity toeram-pianarana manara-penitra hianaran’ny mpianatra ao Mahazina Ambatolampy ity, izay manome lanja hatrany ny sehatry ny fanabeazana hahafahana mampihena ny tahan’ireo mpianatra tsy tafiditra an-tsekoly. Mbola hitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny roa tonta manoloana izany.
Pati
Mitodika any amin’ny fampiasana solosaina na ny asa na ny fianarana ankehitriny.