airtel

Fampianarana

20-janv-2021

Fampianarana

Lisea Maoderina Ampefiloha Hahazo “bus scolaire” amin’izay

Sample post image

Hahazo bus scolaire amin’izay ny Lisea Maoderina etsy Ampefiloha. Ny mba

20-janv-2021

 


hahafahana manampy ny mpianatra indrindra ireo lavi-podiana no anton’izany. Tafiditra anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra mampanano sarotra ny fakana taxibe rahateo isika ankehitriny, indrindra fa amin’ny hariva. Efa misy ireo lalana voafaritra hizoran’ny fiara sy handraisana ireo mpianatra ka miainga eny amin’ny sekoly ary mampitohy ireo faritra ivelan’ny renivohitra toa an’i Iavoloha, Itaosy, Ambohimangakely… ny lalana. Tsy hifanerena anefa izany fa manana safidy avokoa ny ray aman-dreny rehetra. Tsy vitsy mantsy ireo nanana olana ny amin’ny vesatry ny saran-dalan’ity bus scolaire ity, ho an’ireo Ray aman-dReny. Mbola hisy moa raha araka ny fantatra ny fivoriana hiarahan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny anio Alarobia hahafahana mandamina sy mamaritra farany izany.

Pati

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Tena mahatsiaro sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra indrindra

Card image cap
19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap