airtel

Fampianarana

20-févr-2025

LISEA MAODERNA AMPEFILOHA

Efa namoaka mpianatra 48.000 tao anatin’ny 60 taona

Sample post image

Anisan’ny liseam-panjakana manana ny maha-izy azy ny Lisea Maoderna Ampefiloha na ny LMA

20-févr-2025

Maro ireo olona mitana toerana ambony eto amin’ny firenena efa navoakany izay nambaran’ny Proviseur Randrianjafy Mamisoa omaly fa anisan’ireo 800 isa navoakan’ny sekoly isan-taona tao anatin’ny 60 taona niorenany. Mitontaly 48.000 izy ireo hatreto ka anisan’izany ny Filohan’ny Antenimieran-doholona Ravalomanana Richard izay sady Ray mpiahy ny fankalazana. Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy niderana an’Andriamanitra no nanokafana ny lanonana omaly Talata 19 Febroary notarihin’ireo Raiamandreny ara-panahy eo anivon’ny Fiombonan’ny Fiangonan’ny Kristiana eto Madagasikara na ny FFKM. Ny 31 May ho avy izao no ivon’ny fankalazana, izay hanatanterahan’ireo mpampianatra miisa 129 sy mpianatra 3.485 isa hetsika goavana entin’izy ireo hampahafantarana ny sekoly sy ny mampiavaka azy izay hitohy amin’ny fiaraha-misakafo eny amin’ny Residence iray eny Ambohimanga ny datin’ny 21 Jona. Ny 08 Desambra kosa no famaranana tanteraka ny fankalazana ka anisan’ny tsangambato ketrehin’ny sekoly ny hananganana trano fivoahana vaovao, izay hifanindry an-dalana amin’ny fanomezana rano fisotro madio ny mpianatra, fanomezana avy amin’ny Filohan’ny Antenimiera-doholona. Fantatra moa fa efa nanome dabilio miisa 741 ho an’ity lisea iray ity ny Fitondram-panjakana. Toraka izany koa ny seza roa isaky ny dabilio iray ankoatra ny fiaraha-miasany amin’ny sehatra tsy miankina na ny III P. Ny paompin-drano fisotro madio sisa noho izany no mbola tena olan’ny sekoly ho fitandroana ny fahasalaman’ny mpianatra. Fantatra moa fa efa mivelatra amina sehatra maro ny sekoly ankehitriny mba ho famporisihina ny mpianatra hanao ny tsaratsara kokoa toy ny fisian’ny fampianarana hay ady, ny teny Sinoa, ny fianarana mandihy…Naranty sy nampahafantarina ireo tompon’andraikitra tonga nanome voninahitra ny lanonana avokoa izany rehetra izany omaly.
Pati
Legende : Nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny LMA omaly tetsy Ampefiloha !
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Feno 45 taona amin’ity taona 2025 ity ny CEG Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo,

Card image cap