airtel

Fampianarana

11-oct-2021

Fampianarana

Lisea Moderna Ampefiloha Hiverina hiasa ireo mpampianatra

Sample post image

Hiverina hampianatra manomboka anio alatsinainy 11 oktobra ireo mpampianatra FRAM eo anivon’ny Lisea Moderna Ampefiloha rehefa nitokona nandritra ny andro maromaro.

11-oct-2021

 Nisy ny resaka nifanaovan’izy ireo tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany nanambarany ny maharary azy raha araka ny fantatra ka anisan’ireny ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra, ny DREN Analamanga….Nilamina ny resaka nifanaovan’ny roa tonta tamin’ny ankapobeny saingy manantena valiny mahafa-po kosa ireo mpampianatra. Ankoatra ny resaka tambin-karama moa dia manantena feno ny fanajany ny zony araka ny tokony ho izy ireto mpampianatra ireto ka anisan’ireny ny fandraisana azy ireo ho mpampianatra mpiasam-panjakana. Raha tsiahivina moa dia efa nanohitra sy tsy nanaiky ity fitokonan’ny mpampianatra ity ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra tao amin’ny LMA Ampefiloha ary efa nanome 72 ora mihitsy.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap
22-avril-2024

Tena mahatsiaro sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra indrindra

Card image cap