airtel

Fampianarana

25-avril-2024

Fampianarana

LISEA MORARANO IHOSY Raikitra ny fitakiana ny fialan’ny Proviseur

Sample post image

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

25-avril-2024

tafahoatran’ny Proviseur ao an-toerana raha ny vaovao azo omaly. Saika hankalaza ny faha-42 taonany mantsy ity lisea iray ity ary tapaka fa mandoa vola 30. 000 Ar isanisany ny mpianatra mba hanatanterahana io fety io. Tsy maintsy aloha alohan’ny rahampitso Zoma 26 Aprily anefa izany vola izany ka nanomboka sorena ny mpianatra. Nolavin’ireto farany ankitsirano noho izany io fanerena azy io satria antomotra loatra. Fanampin’izany hoy izy ireo dia efa nisy ny tsipaipaika 1 000 Ar isakiny mpianatra nalaina tamin’ny fidirana saika hividianana "rideau " isaky ny lakilasy saingy indrisy fa nanjavona ilay vola ary tsy hita ny rideau hatramin’ izao. Nirohotra nanakatona sekoly ireo mpianatra omaly vokatr’izany ary nanapa-kevitra izy ireo fa tsy hisy hiverina hianatra intsony raha tsy miala ilay proviseur. Andrasana ny tohin’ny tantara.
Pati
Legende : Niverina nody tahaka izao avokoa ny mpianatra tao amin’ny Lisea Morarano ao Ihosy omaly ! 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

indrindra fa ny eto Antananarivo. Tsara ny mampahafantatra fa 24 200Ar ny vatsim-pianarana ho an’ny taonna

Card image cap
02-mai-2024

Tena mbola tsy ampy ny toerana fialam-boly sy fanaovan’ny mpianatra fanatanjahantena eto an-drenivohitra.

Card image cap