airtel

Fampianarana

19-janv-2023

Fampianarana

Lisea Nanisana Mbola tsy nisy nampianatra ny mpianatra omaly

Sample post image

Nijorojoro fotsiny teny ivelan’ny sekoly ireo mpianatry ny lisea Nanisana omaly.

19-janv-2023

Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia tsy mbola nisy nety nandray azy ireo ireo mpampianatra miasa ao amin’ity lisea iray ity noho ny mbola tsy nahazoany ny tambin-karamany nanomboka tamin’ny taona 2021. Raha tsiahivina dia efa nisy ny fitokonana notanterahin’ireto mpampianatra ireto tamin’ny herinandro. Mbola nitohy tamin’ity herinandro ity izany, antony nampitaraina fatratra ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra indrindra fa ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Nahare ny vaovao ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny araka izany ka nisy ny fivoriana maika notanterahin’izy ireo niaraka tamin’ireo mpampianatra ireo omaly. Miisa 120 ireto farany izay nikaon-doha niaraka tamin’ny solontenan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Fantatra taorian’izany ary fa hivoaka manomboka anio alakamisy 19 janoary ny tambin-karama’ireto mpampianatra eo anivon’ny lisea Nanisana ireto. Mbola tsy fantatra kosa anefa na hiverina hampianatra avy hatrany izy ireo anio na tsia.
Pati
Legende : Lasa mijorojoro fotsiny tahaka izao ny mpianatra noho ny fitokonana nataon’ireo mpampianatra
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap