airtel

Fampianarana

06-avril-2022

Fampianarana

Liseam-panjakana Mpampianatra 1000 hahazo fiofanana

Sample post image

Vita sonia omaly 05 aprily tao amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Anosy ny Tetikasa « PERFORM», mifototra amin’ny fanomezana fampiofanana eny amin’ny Liseam-panjakana.

06-avril-2022

 Mpampianatra miisa 1000 amin’ny ny taranja matematika, fizika, frantsay ary informatika eny anivon’ny Liseam-panjakana amin’ny faritra miisa 13 no hisitraka izany, dia any Diana, Sava, Itasy, Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Fitovinany, Anosy, Atsimo Andrefana ary Ihorombe. Ny Vondrona Eoropeanina no mamatsy vola ny tetikasa, ary ny AUF (Agence Universitaire de la Francophone) ary ny AUF kosa no mandrindra izany. Ny sekoly ambony 4 (ENS) eto Antananarivo, Antsiranana, Fianarantsoa ary Toliara no hiandraikitra mivantana ny fanomezana ny fampiofanana ireo mpampianatra voakasika, raha ny fanazavana. Ireo mpampianatra tsy mbola nisitraka fampiofanana pedagojika ary ireo any amin’ny toerana lavitra sy saro-dalana any ambanivohitra no hatao laharam-pahamehana hisitraka io fampiofanana io, araka ny fanamarihana. Hiroso avy hatrany amin’ny fanomanana ny fahafahana misoratra anarana amin’ity fampiofanana ity ny eto anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hivoaka tsy ho ela araka izany ny andinindininy ary amin’ny alalan’ny fampitain-davitra no hahafahana misoratra anarana, hoy hatrany ny fanazavana. Nanoloana izany fiaraha-miasa izany dia nisaotra sy nankasitraka ny tompon’andraikitry ny tetikasa PERFORM ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, izay naneho fa ny tetikasa toy izao dia mifanindran-dalana amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha-4 dia ny fampianarana sy ny fanabeazana ho an’ny Malagasy rehetra, hoy ny fampitam-baovao.

Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap