airtel

Fampianarana

29-juil-2026

Lycée d’Antehiroka

Hisokatra amin’ity taom-pianarana vaovao ity

Sample post image

Hisokatra amin’ity taom-pianarana

29-juil-2026

vaovao 2026-2027 ity ny Lycée d’Antehiroka. Nanao fampahafantarana ofisialy izany ny mpiadidy eo anivon'ny Kaominina Antehiroka Distrika Ambohidratrimo Faritra Analamanga omaly. Foto-drafitrasa vaovao no handraisana ny mpianatra. "Efa eo am-pamaranana ny asa fanamboarana ny Lycée d’Antehiroka ireo mpanatanteraka ny asa", hoy hatrany ny fampitam-baovao. Hisy ny lamina sy fepetra hapetraka momba ny fidirana sy ny fisoratana anarana. Afaka mangataka hiditra, tsy misy avakavaka, ireo afaka BEPC sy tafiditra Seconde, indrindra ireo ankizy monina eto amin’ny Kaominina antehiroka. Araka ny isan’ny toerana azon’ny lycée raisina no handraisana ny mpianatra.
Jean D.
Ilay foto-drafitrasa ho an'ny lisea Antehiroka

 

Dans la même rubrique