Fahombiazana sahady ny andro voalohany omaly Talata 01 Septambra nanokafan’ny Madajeune ilay hetsika Salon des etudes Superieures andiany faha-23 tanterahiny etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina. Mihoatra ny isan’ireo mpitsidika nandrasana no efa tonga. Tanora mpianatra miaraka amin’ireo Ray aman-dReniny ny ankamaroan’izy ireo manatona ireo oniversite tsy miankina sy sekoly ambony mandefa mpianatra any ivelany manodidina ny 100 isa. Anisan’ny tena olana fototry ny Ray aman-dReny raha ny hita teny an-toerana omaly ny tsy fananan’ireo tanora fanapahan-kevitra matotra mikasika ny lalam-piofanana tokony arahiny. Nanampy betsaka azy ireny anefa ny ONG HARI nanoro hevitra sy nampita traikefa. Tsiahivina fa efa 24 taona nirotsahana an-tsehatra tamin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony ny Madajeune. Fanampiana hafa nomeny ireo tanora mpianatra ny famoahana ilay bokikely mirakitra ny lisitr’ireo sekoly ambony tsy miankina eto amintsika. Hifarana anio Alarobia 02 Septambra ny hetsika.
Pati
Legende : Mitsidika hatrany ny Salon karakarain’ny Madajeune ny tanora !