Etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina indray no hifamotoana amin’ireo tanora mpianatra vao afa-panadinana Bakalorea ny Madajeune ny datin’ny 01 sy ny 02 Septambra ho avy izao.Hotanterahina mandritra ireo roa andro ireo mantsy ilay Salon des etudes Superieures andiany faha-23 ho an’ity taona 2026 ity. Mpitsidika hatrany amin’ny 5.000 isa no andrasana ho avy mandritra io roa andro io hijery ireo karazana lalam-piofanana mety aminy sy tokony arahiny ao anatin’ireo oniversite tsy miankina sy sekoly ambony mandefa mpianatra any ivelany miisa 100 raha mahatratra 80 isa ireo sekoly ambony. Tanjon’ny mpikarakara izay marihina fa efa 24 taona nisehatra teo amin’ny tontolon’ny fampiroboroboana ny fampianarana ambaratonga ambony ny hanosika ireo tanora mpianatra vao afa-panadinana Bakalorea handeha lavitra hatrany hahafahan’izy ireo manatanteraka ny nofinofiny. Hanampy ny Madajeune mandritra izany ny ONG HARI hanampy sy hanoro hevitra ireo tanora mpianatra amin’ny lalam-piofanana na fiofanana tsotra tokony arahiny. Hivoaka amim-pomba ofisialy mandritra ireo roa andro ireo ihany koa ny bokikely misy ireo karazana toro-lalana mikasika ny fiofanana tokony arahin’ny mpianatra sy ny sekoly afaka manome izany. Toraka izany ihany koa ny guide madajeune nomerika izay azo jerena ao anaty finday avy hatrany. Solosaina enti-tanana iray no mety ho azon’izay tsara vintana amin’ny alalan’ny tapakila vidiany. 2.000 Ar no vidim-pidirana.
Pati
Legende : Mahavory mpitsidika marobe tahaka izao hatrany ny Madajeune !