airtel

Fampianarana

04-avril-2023

Fampianarana

Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa Angaredona be ny grevin’ny Oniversite

Sample post image

Nanao angaredona ireo mpianatry ny oniversite miisa 3 omaly 03 aprily 2023 dia ny tao Mahajanga, Toamasina, ary Fianarantsoa.

04-avril-2023

Raikitra indray ny grevy, ka niraisan’izy ireo ny fitakiana ny famoahana ny vatsim-pianarana 5 volana miampy fampitaovana. Ho an’ny tao Mahajanga, nohidian’ireo mpianatra ny sakana miditra ny oniversiten’Ambondrona. Ankoatra ny vatsim-pianarana 5 volana sy fampitaovana, dia mitaky ny famoahana ny vatsim-pianarana efa vary mangatsiaka ny taona 2021 hatramin’ny 2023 na “réclamation” izy ireo. Mitaky ihany koa ny fisitrahana tambajotra “wifi” efa hatry ny ela no nampanantenaina, fanarenana ny trano ( douche, wc, tafo,..), fangarahana fanampiana amin’ireo Fakiolte izay tsy afaka ambavan'ireo “instituts” satria misy alefa mody ireo mpianatra tsy mahaloa saram-pianarana. Milaza ho sahirana sy noana ny mpianatra. “Vatsim-pianarana 5 volana sy ny “réclamation” ho an’ny tamin’ny taona tany aloha no takianay. Kamo hanefa izany ny Fanjakana, dia nalefa fialan-tsasatra ny mpianatra ka izahay tsy hijanona raha tsy voahefa ny vatsim-pianarana. Manome fe-potoana 72ora izahay, ary ho avy mafimafy kokoa izahay hamoahana ny tetiandro hamoahana ny vatsim-pianarana. Raha tsy mivoaka izany, dia ho avy ny hetsika mafy kokoa”, hoy ireo fikambanan’ny mpianatra anatin’ny CEUM (Collectifs des Etudiants de l'Université de Mahajanga) tarihin’ny Filohany Atoa Martini sy namany. Tany Fianarantsoa, nangotraka ihany koa ny grevy fitakiana vatsim-pianarana sy fampitaovana. Raikitra ny fandorana zavatra sy fanakanan-dàlana, voatery nahetsika ny mpitandro filaminana. Nifamaliana ny torabato, nisy ny fandorana “cash point” sy kodiarana sy ny maro samy hafa , nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso,... Raikitra ny fifanenjehana teo amin'ny Mpitandro filaminana sy ny mpianatra, ka 1 no voasambotra. Milaza fa tsy hanaiky velively ireo mpianatra, ary momena 15 andro ny fanjakana hanomezana ny tetiandro hivoahan’ny vatsim-pianarana, fa raha tsy izany dia mitohy hatrany grevy satria dia ho tonga daholo ireo mpianatra izay efa lasa nanao fialan-tsasatra, ka vao maiky hihamafy ny grevy, hoy izy ireo. Tapa-bolana lasa izay no efa nanao fitokonana fanairana ny tao Fianarantsoa. Niverina nitokona sy nanakan-dàlana ihany koa moa ny tao Barikadimy omaly, ka mitovy ny amin’ireo oniversite roa etsy ambony ihany koa no antony. Raikitra ny fanakanan-dalana,… Ny eto Antananarivo, mbola tsy misy varany ihany koa ny vatsim-pianarana takian’ny Politeknika.
NY VOLA MIHITSY NO TSY MISY ?
Kisendrasendra sa efa voaomana ity grevy miara-mirefotra amin’ny fiandohan’ny herinandro masina ity? Sao mba efa tsy fahaizana mandamina asa sa holaizana fa misy ambadika politika indray? Tafiditra anaty drafitra sosialy nolazaina taorian'ny rivodoza ve ny olan’ny mpianatry ny oniversite sa resaka hafa mihitsy? Aiza ho aiza ny fampiharana ilay fizakan-tenan’ny oniversite efa nivoaka lalàna nankatoavin'ny HCC? Vao nihaona ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka SECES niresaka ny satan’ny mpampianatra, ny vatsim-pianarana izay nolazaina fa an-dalam-pikarakarana,… Io anefa fa mihamafy ny grevy satria leo fampanantenana lava ny mpianatra, toa ny vola mihitsy no olana ary tsy amin’ny fampianarana ihany io fa amin’ny sehatra maro,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap