airtel

Fampianarana

15-nov-2021

Fampianarana

Mandritsara Maty teo am-panaovana EPS ilay mpianatra

Sample post image

Mpianatra iray ny zoma lasa teo no maty teo am-panaovana ny fanatanjahantena an-tsekoly EPS tany Mandritsara. Rakotoson Jean Luc no anarany, tovolahy vao 17 taona monja,

15-nov-2021

 mpianatra amin'ny lisea Antsaramidola, kilasy faharoa (Classe de 2nde). Zanak'i Jean Ernest sy Soazy avy ao Bandambe ity tovolahy namoy ny ainy ity. Marihina fa teo am-pakana naoty nandritry ny hazakazaka izay nahazoany laharana faha-04 no namoy ny ainy ity tovolahy ity.Ny any ivelany dia misy hatrany ny fizaham-pahasalamana alohan'ny hanaovana ny fanatanjahantena tahaka izao raha tsiahivina. Mbola sarotra anefa izany eto amintsika noho ny tsy fahampiana ara-pitaovana sy ny mpitsabo. Na izany aza andrasantsika ny fanatsarana tokony hataon’ny Fitondram-panjakana.
Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique