airtel

Fampianarana

22-févr-2021

Fampianarana

Manizingizina ireo mpianatra any Toamasina “Niniana natao iny tifitra iny ary tsy hamelanay”

Sample post image

Namoaka fanambarana tamin’ny Alalan’ny Minisitry ny serasera sady mpitondra

22-févr-2021

 

 

 

tenin’ny governemanta Rtoa Lalatiana Andriatongarivo ny Fanjakana manoloana ny toe-draharaha nahafatesana mpianatry ny anjerimanontolo tao Barikadimy ny alakamisy 18 febroary teo. Nambara fa nisy ny sakana natsangan’izy ireo tamin’ny lalam-pirenena faharoa. Mba hampitsaharana ny tora-bato izay nataon’ny mpianatra, dia nampiasa baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana. Niteraka famoizana ain’ny mpianatra iray izay voan’ny bala teo amin’ny feny vokatry ny tifi-danitra nataona mpitandro filaminana iray izay voatazon’ireo mpianatra ny fifandonana, hoy io taratasy navoakan’i Lalatiana Andriatongarivo io. Taim-bala 4 no azon’ny mpianatra, ary miisa 3 ireo maratra ankoatra ilay namoy ny ainy, saingy mbola manitrikitrika izany ny mpitondra tenin’ny governemanta fa tifi-danitra ilay natao, izay nahaloaka vavahady. Mikasika ny fandoavana ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana

TSY TIFI-DANITRA IZANY…

Gaga izahay naheno tamin’ny vaovao, ny FIP no nitifitra ny namanay, ary izao no isan’ny nokendrena, hoy ny mpianatra iray. Tsisy alahelo niaraka tamin’ny teny ratsy. Basy in-droa mipoaka. “Balle perdue” ve dia hiditra eo ambanin’ny foitra ny iray amin’ny lohalika? Mba mahaiza mizara ny zavatra marina ny mpitondra, fa tsy manaraka ny lainga misy any. Miangavy anareo, mba faizo ny mpandika lalàna, avoahy ny marina, sazio ilay mpitandro filaminana nitifitra, hoy ireo mpianatra. Mila hitanay maso hoe izay ilay nitifitra? Tsy hangina izahay raha tsy miala amin’ny asany sy migadra izy, hoy ireo mpianatra. Zana-bahoaka, olona tokony harovana izahay, vatsim-pianarana no isan’ny nahatonga izao ka mila mivoaka ary 4 volana farafahakeliny no takianay, hoy ireo mpianatra. Nambaran’ny governemanta fa efa nandefa vola eny anivon’ny Fiadidian’ny Oniversite ny Minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony tamin’ny jolay 2020. Sahy miteny ve ny Fanjakana fa vatsim-pianarana ampy sy ho an’ity taom-pianarana hitsahina ity no nalefa sy efa feno araka ny fitakian’ny mpianatra? Voizin’ny mpitondra hatrany ny hoe misy fikasana hanao fitaovana ny tanora Malagasy ny Fanjakana.

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanomboka omaly 22 hatramin’ny 26 aprily ny herinandro maneran-tany ho an’ny fanabeazana,

Card image cap
23-avril-2024

Efa saika vita avokoa ny fandaharam-pianarana taonam-pianarana 2023-2024

Card image cap