airtel

Fampianarana

18-juil-2022

Fampianarana

Manomboka anio ny bakalorea Mahatratra 192 435 ny mpiadina

Sample post image

Mpiadina 192 435 manerana ny Nosy no hiatrika ny bakalorea manomboka anio alatsinainy 18 jolay 2022. Nisy fihenany 4039 io mitaha ny tamin’ny taon-dasa.

18-juil-2022

Ny sokajy “littéraire” no btsaka indrindra satria mahatra 116 165 ny 12, manome 60,36% amin’ny isan’ny mpiadina rehetra. 8893 kosa ny sokajy A1, ary 10 332 ny sokajy vaovao L. Miisa 39 161 kosa ny sokajy siantifika: Serie D 27 660, Serie S 9 462, Serie C 2 039, ary 6 253 kosa ny ao anatin’ny sokajy vaovao ao anatin’ny siantifika antsoina hoe OSE (Organisation, Société, Economie). Miisa 11 631 kosa ireo mpiadina ho an’ny bakalorea teknika sy arak’asa. Mahatratra 413 ireo foibem-panadinana handray ireo mpiadina 192 435 ireo, kan y 168 eto amin’ny faritanin’Antananarivo avokoa izay misy mpiadina 75 126. Foibem-panadinana 69 kosa ny ao anatin’ny faritanin’i Toamasina izay ahitana mpiadina 30 188, faharoa be mpiadina indrindra. Any Fianarantsoa kosa ny fahatelo izay misy foibem-panadinana 57 ahitana mpiadina 30 063; 60 kosa ny foibem-panadinana any Toliara, 21 849 ny mpiadina; I Mahajanga kosa manana mpiadina 20 884 mitsinjara amin’ny foibem-panadinana 37, ary Antsiranana misy mpiadina 14 325 hiadina amin’ny foibe miisa 22. Hifarana ny 22 jolay ny fanadinana ho an’ny sokajy ankampobeny izay manomboka anio. Mitohy ny 25-28 jolay kosa ny bakalorea teknika sy arak’asa ary ny teklonolojika. Mirary fahombiazana sahady ho an’ny mpiadina rehetra manerana ny Nosy. Entanina hiomana tsara amin’ireo pitsopotsony tahaka ny taratasy fiantsoana, ary tsy ho sodoka amin’ny fandrebirebena sy fanakorontanana amin’ny endriny maro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanomboka omaly 22 hatramin’ny 26 aprily ny herinandro maneran-tany ho an’ny fanabeazana,

Card image cap
23-avril-2024

Efa saika vita avokoa ny fandaharam-pianarana taonam-pianarana 2023-2024

Card image cap