airtel

Fampianarana

24-mars-2023

Fampianarana

Marary ny oniversite Fampiasan-kery no vahaolan’ny mpitondra hatreto

Sample post image

Niroso nanohy ny fitokanana indray ny mpianatry ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly 23 martsa 2023.

24-mars-2023

Manamafy ny fitakiana mandra-pahazoana valiny mahafa-po, ka isan’ny takian’izy ireo ny famoahana ny vatsim-pianarana 5 volana miampy fampitaovana. Tahaka ny mahazatra, niditra an-tsehatra nanaparitaka ny mpianatra ny mpitandro filaminana, ka raikitra ny fifanjevoana tany amin’ny mitataovovonana, nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso ary tora-bato ny setriny,… Niditra tany amin’ny faritry ny sekoly mihitsy izy ireo, ary tonga hatrany amin’ny fisamborana sy ny herisetra, hoy ireo mpianatra. Mpianatra miisa 2 no nosamborina, ka ny iray vehivavy, izay nambaran’ireo mpianatra namany fa tsy nohajaina ny zo maha vehivavy.”Nandritra ny fidiran’izy ireo taty dia nosamborin’izy ireo ny namanay, nisy vehivavy, nohitsakitsahina ny zony, nodarohan’izy ireo, naboridian’izy ireo tanteraka, ka tsy manaiky izany izahay, avoahy tsy misy hatak’andro ny namanay”, hoy ireo mpianatra omaly. Nomarihin’ireo namany rahateo, fa tsy tao anatin’ireo nanao hetsika akory ireo vehivavy nanaovana herisetra io, fa saika hamonjy namany. Iza no nanome alalana ny mpitandro filaminana hiditra amin’ny faritry ny oniversite satria ny Filohan’ny oniversiten’Antananarivo voalaza fa mbola any ampitan-dranomasina? Novahana ve ny tsy fahafahan’ny mpitandro filaminana miditra amin’ny faritry ny anjerimanontolo na ny “Franchise universitaire”? Hatreto aloha izany, toa fifanomezantsiny eo amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa andaniny, ary ny eo anivon’ny Oniversite ankilany. Toa tsy mety tonga any amin’ny vahaolana fa fandrirarirana lava no andraisan’ny mpianatra azy. Ny zava-misy aza dia toa ny «résolution par la force » na vahaolana amin’ny alalan’ny fampiasan-kery no hany hitan’ny Fanjakana hatreto. Isan-taona olana foana ny resaka vatsim-pianarana, kanefa efa soajiana ho fandaniana raikitra na “charge fixe” ho an’ny Fanjakana, efa voafaritra any amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana,… saingy izao hatrany no miseho. Tena olana any amin’ny resaka lisitra tokoa ve sa ny vola mihitsy no tsy misy ka mifandrirarira sy mifanilika lava eo? Matetika resahina foana ny hoe: misy ambadika politika sy kajy maloto ny hetsiky ny mpianatra fa ho tonga amin’izao ve raha tena manao ny asany ny rafitra ara-panjakana isan-tsokajiny? Tena manan-danja amin’ny mpitondra ve ny fampianarana sy ny tanora Malagasy ary tsapany ve ny lanjany?


Tsy mijanona eny Vontovorona, fa manomboka mihetsika mitaky vatsim-pianarana 5 volana ihany koa ny ao Fianarantsoa. Ho an’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka SECES dia hanao fivoriambe ny Sampana Antananarivo anio ka asa izay hambarany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap
22-avril-2024

Tena mahatsiaro sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra indrindra

Card image cap