Nihaona tamin’i Benjamin Marteau, Tale Jeneralin’ny GIP Pix, ny delegasionan’ny METFP notarihin’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa, Dr Andriamampandry Todisoa Manampy, ny 7 septambra 2026 tao Paris, Frantsa. Rafitra any Frantsa miandraikitra ny fanombanana, fampivoarana ary fanamarinana ny fahaiza-manao nomerika, amin’ny alalan’ny sehatra an-tserasera “Pix”, izay ekena sy ampiasaina amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny GIP Pix. Nifantoka tamin’ny fahazoana mari-pahaizana nomerika ekena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny dinika, ka nampifanarahana amin’ny fenitra CRCN (Cadre de Référence des Compétences Numériques) sy DIGCOMP (Digital Competence Framework), ary nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sampan-draharaham-panjakana. Tafiditra ao anatin’ny dingana vaovao ho fanamafisana ny fahaiza-manao nomerika ananan’ny tanora malagasy izany, manokatra làlana ho amin’ny fanovàna stratejika eo amin’ny ETFP sy ny fanomanana ny tanora amin’ny fahaiza-manao takian’ny ho avy. Ahitana fahaiza-manao miisa 16 voazara ho sehatra lehibe dimy ny mari-pahaizana: fampahalalana sy angon-drakitra, fifandraisana sy fiaraha-miasa, famoronana votoaty, fiarovana sy fandriampahalemana, ary tontolo iainana nomerika. Ity fihaonana ity no dingana voalohany mankany amin’ny fiaraha-miasa stratejika, hanohanana ny fanovàna nomerika eo amin’ny rafitra ETFP sy hanome lanja iraisam-pirenena ny fahaiza-manao nomerika ho an’ny tanora eto Madagasikara, araka ny tatitra ofisialy.
Toky R