airtel

Fampianarana

24-sept-2026

MARIKA

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

Sample post image

Fitaizana ilay hampitovizana

24-sept-2026

azy hoy ny talen-tsekoly iray
Betsaka ireo Ray aman-dReny mitaraina amin’izao fidiran’ny mpianatra izao fa tena mila vaniny ny sekoly, indrindra fa ireo sekoly tsy miankina mandray ankizy madinika mampiasa ny teny Frantsay. Tsy maintsy mitovy avokoa mantsy ny mariky ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra tsirairay ary saika amin’ireo karazany lafolafo avokoa. Ankoatra izay dia tena be kipitsony ihany koa ary tsy maintsy tonga amin’ny fotoana ilana azy rehefa ilaina fa tsy azo hangatahin’andro. Raha araka ny fanazavan-dRabearivony, talen’ny sekoly tsy miankina O,tipi dia tsy filam-banony akory izany satria fa tena tafiditra ao anatin’ny fitaizana tanteraka. Ezahina hoy izy ny hahatonga ilay mpianatra tsy hiasa saina ny amin’ny mahahafa ny fitaovam-pianarana hananany fa mba hitovy avokoa izay jeren’ny masony. Nitondrany fanazavana ihany koa ny mikasika ny fiakaran’ny saram-pianarana sy ny frais generaux. Nambarany fa ho azy ireo dia miakatra 5.000 Ar isan-taona izany. Miankina amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana hoy izy satria tsy afaka ny tsy hanondrotra ny karaman’ireo mpampianatra izahay noho ny rotoroto hiainany isan’andro. Na izany aza anefa dia nomarihiny kosa fa tena hifanarahana amin’ny Ray aman-dReny dieny am-piandohana izany fa tsy sanatria eny an-tenantenan’ny taom-pianarana vao manondrotra. Tsiahivina moa fa manana fikambanana O tipi ny sekoly. Miahy sy manampy ireo ankizy sahirana eny anivon’ny fiaraha-monina izy io ho an’ny garabola ka hatramin’ny kilasy fahadimy. Alefa eny anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa na CEG ireo mpianatra ireo raha vantany vao afaka CEPE. Tamin’ity taona 2026 ity ohatra dia nahatratra 100% ny voka-panadinana CEPE tao amin’ny fikambanana ho an’ny O tipi hatrany.
Pati
Legende : Ny ankizy madinika no tena voakasik’ilay tsy maintsy manana fitaovana mitovy !
 

Dans la même rubrique

23-sept-2026

Mbola betsaka ireo olana

Card image cap
23-sept-2026

Sady nankasitraka no manohana azy

Card image cap