airtel

Fampianarana

27-août-2026

Masoivohon'i Alemaina

Nanohana ara-bola fanorenana

Sample post image

sekoly ao Vohitsara

27-août-2026

Vita ary notokanana ny trano-pianarana vaovao iray ao Vohitsara - Ankazobe izay naorina tamin'ny alalan'ny fanohanan'ny Masoivohon'i Alemaina. Ity tetikasa madinika ity, izay notarihin'ny Fikambanana Kristianina Ambohitantely sady notohanan'ny Repoblika Federalin'i Alemaina tamin'ny alalan'ny famatsiam-bola mitentina 47,59 tapitrisa Ariary, dia ahafahan'ny ankizilahy sy ankizivavy ao Vohitsara mianatra ao anatin'ny fepetra tsara kokoa, sady akaiky ny fianakaviany sy ny fiarahamonina misy azy. Nanipika mazava ny kaonsilin'ny Alemana, Peter Goldschagg, izay tonga tao Vohitsara, niara-nitokana ity trano fianarana vaovao ity niaraka tamin'ny filohan'ny FJKM Andriamampianina Zaka Hary Masy, Mpitandrina, fa na "tetikasa madinika" aza dia tsy azo heverina ho zavatra kely mihitsy eo amin'ny fiainan'ny ankizy iray. Ny efitrano fianarana iray, hoy izy, dia afaka manokatra lalana mankany amin'ny fahaizana mamaky teny sy manoratra, ny fahatokisan-tena, ary ny hoavy. Nifarimbona tamin'izao zava-bita mahafinaritra izao ny mponina ao Vohitsara, ireo ray aman-dreny, ny mpampianatra, ireo tompon'andraikitra ao an-toerana, ary ireo mpanao asa tanana.
Jean D.
Fitokonana ny trano sekoly Vaovao tao Vohitsara, Ankazobe
 

Dans la même rubrique

27-août-2026

afaka raisina taona voalohany

Card image cap