Niroso tamin’ny fifanarahana lehibe miompana amin’ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanofanana ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa na ny METFP notarihin’ny Minisitra Dr Todisoa Andriamampandry sy ny Hetsika Akamasoa tarihin’ny Mopera Pedro Pablo Opeka omaly. Tanjona amin’io ny hanamafisana ny kalitaon'ny fanofanana ao amin'ny Lycée Technique Agricole Akamasoa Antolojanahary (LTAAA) Ankazobe amin'ny alalan'ny fanatsarana ny tolotra fanofanana, indrindra eo amin'ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ary ny fampifanarahana izany amin'ny filàn'ny tsenan'ny asa ho fanamorana ny fampidirana amin’ny fiainana ara-tsosialy sy arak’asa an'ireo tanora. Ny Akamasoa no nanangana ny fotodrafitrasa ary ny Minisitera no hanolotra ireo mpampianatra matihanina. « Ny fanabeazana no tena fototry ny fivoarana rehetra, ary efa ela no naniry izahay eto amin’ny Akamasoa mba hisy « Lycée technique agricole », ka androany dia nanao izao fifanarahana izao izay tena andro iray toa zato ho anay. Mila teknisianina ary mila « agronome » i Madagasikara ka enga anie ity sekoly ity mba hamoaka teknisianina sy manam-pahaizana afaka hanampy ny Firenena hampitombo ny sakafo sy ny rehetra izay mikasika ny fambolena. », hoy i Mopera Pedro izay nankasitraka sady nitsodrano ny METFP sy ny Minisitra manokana. Mitsanagana ihany koa ny CFP (Centre de Formation Professionnelle) ao Mahatsara izay manaraka ny fenitra rehetra, ngeza dia ngeza, ka hanampy amin’ny fanofanana sy ny fanomezana mpampianatra, ary fitaovana araka izay vitany ny Minisitera sy ny Fanjakana. Manolotra fiofanana amin’ny sehatra 12 izy io, ahitana trano fampiharana 8, efitrano fianarana 7, trano fonenan’ny mpianatra miisa 2, trano fisakafoanana sy ny toerana famakiam-boky hoan’ny mpiofana ary birao ara-pitantanana miisa 1 ho an’ireo tompon’andraikitra mitantana izany, ka kendrena hatao « centre de référence » eto Madagasikara. Ny Fanjakana Foibe tarihin’ny PRRM Randrianirina Michael moa no voalaza fa mandray an-tanana mivantana ny famitana tanteraka azy io. « Ny fahantrana dia ny tsy fiasana, ny tsy fahitana asa, ka mila miofana aloha, rehefa manana ilay fahaiza-manao dia afaka miditra amin’ny tontolon’ny asa, mamorona asa, hiteraka vola aman-karena, hivoaran’ny toekarena », hoy ny Minisitra Todisoa Andriamampandry izay nidera ny finiavana lehibe nananan’i Mopera Pedro Opeka. Nanipika ny tenany misy ny fanohanan’ny Minisitera, fa miezaka miresaka amin’ny mpiara-miombon’antoka mba hanampy ireo ivon-toeram-piofanana tena miezaka manome fanofanana sy mamorona asa ho an’ny tanora. Mpianatra 1000 moa no eritreretina horaisina voalohany amin’ity CFP goava ity, saingy mety tsy ho vita indray mandeha fa arakaraka ny dingana tsirairay. Tsy ny ao amin’ny Akamasoa ihany fa misokatra ho an’ny faritra 24, ho an’ny tanora Malagasy rehetra, hoy Rtoa Monique Fandro Mpandrindra ny Oniversite Saint Vincent de Paul Akamasoa. Nankasitraka ny Fanjakana tarihin’ny PRRM izay tsy mikely soroka manohana ny fanamboarana, izay efa mandeha ny tenany.
Toky R
Monique Fandro