fifanarahana arak'asa
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly 19 novambra 2026 tao amin’ny FMJ, Fianarantsoa ny Fihaonambe ho Fanavaozana ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ho an’ny tapany Atsimo. Haharitra roa andro ny fihaonana izay entina hamaritana ireo sori-dalana hoenti-manatsara ny ETFP. Nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Dr Todisoa Andriamampandry, notronin' ny Lehiben’ny Fileovana, ny lehiben’ny Faritra, ny Lehiben’ny Distrika, ny Lefitra fahatelon’ny Ben’ny Tanàna, ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny sivily sy miaramila eto an-toerana. Tanjona amin’ity fihaonambe ity ny famolavolana paikady iombonana hanatsarana ny kalitaon’ny fiofanana, hanamafisana ny fiaraha-miasan’ireo mpisehatra ary hampifanaraka ny fiofanana amin’ny filàn’ny tsenan’asa. Anisan’ny nisongadina nandritra izany ihany koa ny fanolorana ny taratasy fifanarahana arak’asa ho an’ireo mpiasa izay noraisina ho mpiasam-panjakana raikitra. Ankoatra notokanana tamin'ny fomba ofisialy omaly ihany koa fotodrafitrasa vaovao efitrano miisa 2 niaraka tamin'ny fanavaozana ireo efa misy. Mahazaka mpiofana 40 avy, tafiditra ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny tontolon’ny fanofanana, izay fanamby entin'ny Minisitra sy ny fitondram-panjakana. Nandritra ny lanonana ihany koa no nanolorana fitaovam-piofanana ho an’ireo sampam-piofanana dimy ao amin’ny sekoly, dia ny « Mécanique automobile, Ouvrages métalliques, Coupe et couture, Informatique ary THR ». Natao hanamafisana ny fampiharana ara-teknika mandritra ny fiofanana sy hanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpiofana ireo fampitaovana ireo, mba hahafahan’izy ireo miditra amim-pahavononana kokoa eo amin’ny sehatry ny asa. Toky R