airtel

Fampianarana

25-avril-2022

Fampianarana

Mikatso indray ny fampianarana ambony Oniversite maty mandritra ny fotoana tsy voafetra

Sample post image

Nohamafisin’ny Sendikan’ny mpampianatra SECES Sampana Antaanarivo tamin’ny alalan’ny fanambarana navoakany omaly 24 aprily ny hirosoan’izy ireo indray amin’ny fanaovana

25-avril-2022

"Oniversite sy foibem-pikarohana nasionaly miankina amin'ny Fanjakana maty" manomboka anio alatsinainy 25 aprily 2022, mandra pisian'ny vahaolana atolotry ny Filoham-pirenena. “Hitovizana amin'ireo sanpana SECES rehetra manerana ny Nosy io hetsika io, koa manainga ny fianakaviamben'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tSiansa mba samy handray ny andraikitra mifanaraka amin' izany sy tandrify azy avy: tsy mianatra ny mpianatra mikatona daholo ny toeram-pianarana rehetra tsy mampianatra no sady tsy mamonjy toeram-pikarohana ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra”, hoy ny ampahany amin’ny fanambarana. Nanamafy ny SECES Antananarivo fa tandindonin-doza ny Oniversite miankina amin'ny fanjakana sy ireo Foibem-pikarohana Nasionaly (CNR) satria tsy tanteraka ny voalazan'ny Lalàmpanorenana 95I.14 milaza araka ny andininy 95, fa ankoatra ireo raharaha ampisahanin'ny andininy hafa ao amin'ny Lalàmpanorenana azy dia: ny lalàna no mametra ny fitsipika mikasika ny sata sy ny fitondrana ny fizakan-tenan'ireo Oniversite, ary koa ny sata mifehy ny mpampianatra eny amin'ny fampianarana ambaratonga ambony;". Fanapahana (Décision) an'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) teo aloha izay mandidy ny fitondram-panjakana hamoaka faran'izay haingana an'ireo lalàna, izay fototra miantoka ny firoboroboan'ny Oniversite miankina amin'ny fanjakana sy ireo CNR sy ny filaminam-piarahamonina, ka ahafahana misoroka ny olana samihafa (indrindra fa ny vatsim-pianarana sy karaman'ny mpandraharaha ary ny Ora Fanampiny an'ny mpampianatra tsy voaloa ara-potoana) nahatonga fitokonana miverimberina. Andrim-panjakana ao anatin’ny Fanjakana anefa no nanao vato manoha riana ka nandà tsy hampanan-kery eto amin’ny tanin’ny Reepoblikan’i Madagasikara ny tolo-dalàna momba ny fizakan-tenan’ny oniversite (Loi 2021-028 sur l'autonomie des Universités et des Etablissements Publics d'Enseignement Supérieur et de Recherche Scientifique), na indroa naverina tany amin’ny antenimiera ary lany tsy nisy nitsipaka aza, hoy ny SECES Antananarivo…. Tany tan-dalàna i Madagasikara ka mila miaina ao anatin'izany lalàna momba ny fizakantenan'ny oniversite izany ny anjerimanontolo miankina amin'ny fanjakana sy ny rantsa-mangaikany, dia ny fizakantena ara-pitantanana, ara-bola, sy ara-tsiantifika, hoy ny SECES.

Toky R

 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanomboka omaly 22 hatramin’ny 26 aprily ny herinandro maneran-tany ho an’ny fanabeazana,

Card image cap
23-avril-2024

Efa saika vita avokoa ny fandaharam-pianarana taonam-pianarana 2023-2024

Card image cap