airtel

Fampianarana

03-sept-2021

Fampianarana

Mikolay ny Ray aman-dReny Izao no tena ilàna ny “kits scolaires”

Sample post image

Ao anatin’ny fidiran’ny mpianatra izay tena manahirana ny tokantrano Malagasy isika amin’izao fotoana izao. Tsy misy tsy mitaraina sy mikaikaika ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra.

03-sept-2021

 Fotoana izao tena tokony hizara “kits scolaires”, ary manerana an’I Madagasikara mihitsy ho an’ny filoha sy ny Minisiteran’ny fanabeazana, ny mpitondra fanjakana mihitsy. Mafy ny mahazo ny Ray aman-dReny mampidi-janaka any an-tsekoly. Zaza iray any amin’ny ambaratonga fototra na “primaire” dia tsy maintsy handaniana 50 000 hatramin'ny 100 000 Ar eo ho an’ny fitaovana fotsiny. Mbola misy anefa ilay “réinscription” raha ho an’ny tsy miankina, eny fa na ny miankina amin’ny Fanjakana aza mbola handoavam-bola ny ankamaroany. 25 000Ar hatrany amin’ny 200 000 Ar ho an’ny ambaratonga faharoa. Ny an’ny fanjakana moa toa ilay hoe 30 000Ar maha be resaka, mbola tsy miresaka ekôlazy isika amin’zany, ny kojakoja hafa toy ny “tablier”, “tenue de sport”,… Tena maro ny olona tsy mbola nanao fisoratana anarana na “inscription” sy réinscription” hatramin’izao. Mbola manao asa marika tsara aloha amin’ny vola aloha izay hifampitadiavana. Ny tsy miankina anefa efa nanomboka niditra ihany koa, hitohy amin’ny herinandro. Maro ny Ray aman-dReny tsy mahavidy fitaovana, izay tena miantso vonjy amin’ny Fanjakana. Ny “kit scolaire” ihany koa tsy voatery hoe ho feno tanteraka na “complet”, fa mba amin’ilay manala sy mampihena ny fahasahiranana no ilaina, na asa hoe inona no mba azon’ny Fanjakana hatao fa tsy variana amina zavatra hafa sy ny “spectacle” fotsiny eo. Misy ilay hoe: maimaimpoana ny fisoratanana anarana, saingy toa feno fihatsaram-belatsihy. Efa nandeha ny fisoratana vao natao ny fanambarana. Ny Fanjakana nilaza an’izany tsy tena nitondra vahaolana sy tsy mahita ny zava-misy ifotony satria rehefa tsy maimaimpoana, dia tsy hisy karama ho an’ny mpampianatra. Tsy finiavana hitsikera fa izao ilay mahaonga ny olona hanakiana ny resaka kianja manara-penitra hireharehana fatratra, handaniana vola tsy toko tsy fotohana, hanaovana fety feno artista,… fa ny zavatra hafa tsy raharahiana. Tsy hoe ratsy ny kianja na tsy ilaina, fa misy zavatra hafa tokony hojerena. Aiza ilay fihetsika tamin’ny propagandy ny 2018 hoe : tsy miandry lany fa tonga dia manome, tamin’ilay resaka kitapo politika tamina ampahan’olona vitsy? Raha mampitaha dia miteny ho azy ny antontan’isa ara-tsiantifika hoe 78% teo ny taham-pankasitrahan’ny vahoaka ny goverenemanta ny fampianarana tamin’ny 2008 raha ny tatitry ny Afrobaromètre satria nisy politika mazava mahasahana firenena manontolo fa tsy kisehoseho ivelany amina ampahan-javatra na « echantillonnage » toy ny fanao ankehitriny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap