airtel

Fampianarana

16-juin-2021

Fampianarana

Minisiteran’ny fampianarana ambony “Maro fangatahana voavaly, tohizo ny fianarana”

Sample post image

Teo anatrehan’ny grevy nafotaka tany amin’ny Oniversiten’I Toliara, namoaka fanambarana ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny Fikarohana

16-juin-2021

 

 

 ara-tsiansa omaly. Maro ny fangatahana voavaly sy an-dalam-pikarakarana, niezaka ny Ministera ny olana maro loha, ka manentana hatrany ny mpianatra ho tony sy hanatontosa ny famitana ny taom-pianarana, hoy io minisitera io. Mikasika ny « habilitation » na ny fanomezan’ny Ministera alàlana hanokatra sy hamoaka diplaoma mikasika ny sampam-piofanana : 8 no efa nahazo an’izany araka ny hita amin'ny “arrêté d'habilitation”, ny ambiny miandry ny fivorian’ny « Commission Nationale d'Habilitation » (CNH) amin'ny farany volana jolay ho avy izao. Noho izany, afaka manao « soutenance » sy mangataka diplaoma ny mpianatra rehetra voakasiky ny fivoahan’ny « arrêté d'habilitation ». Ny Wifi : efa misy « Wifi » ao amin’ny trano famakiam-boky sy ao amin'ny « Ecole nationale supérieure » (ENS). Mikarakara ny fanitarana an’izany ny sampan-draharaham-paritra misahana ny fifandraisan-davitra ao amin’ny faritra Atsimo-andrefana. Marihina fa ilain’ny mpianatra ny « connexion internet » noho ny rafitra LMD mametraka ny famenoana sy fanatsarana ny kalitaon’ny ny fampianarana amin’ny alàlan’ny fikarohana sy fanangonana atontan-kevitra ataon’ny mpianatra. Ho an’ny jiron’ny Jirama, efa nivoaka ny « devis » nataon’ny Jirama mikasika ny fanoloana ireo tariby mitondra herin’aratra, miandry ny sora-bola. Ny toeram-ponenan’ny mpianatra kosa dia nambara fa efa nisy fifanarahana mikasika ny R+3 ary hiroso amin’ny fandaminana. Mikasika ny vatsim-pianarana, nambara fa efa voaloa daholo ny 4 volana miampy ny fampitaovana, ary amin’izao fotoana dia efa mandeha ny fandoavana ny volana fahadimy. Efa am-pikarakarana ihany koa ny volana manaraka, hoy ny Minisitera. Iray volana sy tapany na roa volana eo no nifanarahana araka ny tapaka tamin’ny fivorian’ny Filohan’ny Oniversite sy ny IST na ny « COPRIES élargie », ary mamita fianarana ny Oniversiten’i Toliara araka ny naoty avy any amin'ny Ministera ka 1 volana sy tapany na 2 volana, araka ny voalaza etsy ambony, no hamitana ny fianarana. Tsy tokony hasiana grevy intsony mba ahafahana manatratra izany, hoy ny Minisitera. Manga ny lanitra raha ho an’ny minisitera, mainty kosa ho an’ny mpianatra. Asa ny an’iza no marina sy mitombina? Adala ve ny mpianatra ka hitokona fahatany ?

Toky R

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap