airtel

Fampianarana

24-mars-2022

Fampianarana

Minisiteran’ny fanabeazana Mpiasa tsy ara-dalàna maherin’ny 200 sarona

Sample post image

Nankatoavina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra omaly 23 martsa ny fampitam-baovao mikasika ny fanapahana ny fifanaraham-piaraha-miasa hosoka sy tsy mitombona sy ny fanapahana ny karaman'ireo olona izay nisitraka izany teo

24-mars-2022

 anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Maherin’ny 200 ny fifanarahan’asa tsy ara-dalàna nandritra ny asa fanamarinana sy fanaraha-maso ny fizotry ny fandraisana mpiasa tamin'ny alalan'ny informatika, nataon'ny minisiteran 'ny Fanabeazam- pirenena ny volana janoary 2022, hoy ny tatitra. Manoloana izany hosoka izany, dia nandray ny fepetra manafoana ireo fifanarahana sandoka ireo ny minisitera ary manatsahatra ny fanomezana « immatriculation ho an’ireo mbola an-dàlam-pikarakarana, ary ny fampiatoana ny karaman’ireo mpiasa efa nahazo “immatriculation” sy efa nandray karama. Efa mandeha ny famotorana anatiny amin'izao fotoana izao mba hahitana ireo olona tafiditra amin'ity raharaha ity, hoy hatrany ny tatitra. Efa nisy ihany koa ny fametrahana fitoriana noho ny fanaovana kolikoly, ny fanaovana hosoka sy famplasana hosoka, ary koa noho ny “cybercriminalité” teny anivon'ny PAC (Pôle Anti-Corruption du Premier Degré) eto Antananarivo. Matoa misy ny fandraisana dosie hosoka, dia nisy ihany koa ny lesoka na tsy fahamalinana na koa tsikombakomba tamin’ny mpandray izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap