Tany ampitsidihana Faritra ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Rajaonarison Sendra Nirina no nahita maso ny fikorosoan'ny foto-drafitr'asa ho an'ny fampianarana noho ny tsy fisian'ny finiavana hikolo sy hikoja ataon'ny tompon'andraikitra. Nanao ranty manokana izy nanaovany fanamarihana hoe : "Rehefa zavatra an’ny fanjakana ve izany dia tsy maintsy ratsy sy maloto" raha nahita ny sainam-pirenena rovitra mihofahofa eo an-tokontanin-tsekoly, tokontany feno fako sy loto. Vaky vava Ramatoa Minisitra nilaza fa "Tena hoe mampieritreritra sy mahaketraka". "Ekena fa mbola tsy ampy ary tsy maharaka ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana fa na izany aza dia ny fahadiovana kosa tsy tokony hiandry hoe misy trano tsara... Etsy andaniny izay kely ananana koa dia tokony hokajiana sy hokoloina. Mampanontany tena hoe : atao inona izany ny volan’ny FEFFI raha ny zavatra madinika faran’izay kely tsy atao ?", hoy izy mametra-panontaniana. Notohizany hoe : "Ahoana no hampianarantsika ny ankizy tia tanindrazana raha ny sainam-pirenena aza avela ho rovitra ?". Teny fampieritreretana no namaranany ny ranty nataony fa "Raha masiaka sy handraisana fanampahan-kevitra amin’izao ny mpitantana dia ho lazaina fa mpanao jadona indray ...".
Nangonin'i Jean D.
Zava-misy eny amin'ny sekolim-panjakana sasany