airtel

Fampianarana

02-mars-2022

Fampianarana

Minisitry ny fampianarana ambony “Efa mizara karatra ny Paositra, hivoaka ny bourse…”

Sample post image

Nitondra fanazavana mikasika ny vatsim-pianarana ny minisitra ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice, omaly talata 1 martsa 2022,

02-mars-2022

manoloana ny fisavorovoroan-kevitra mety hitranga eo amin’ny mpianatra sy ny mpandraharaha rehetra eo anivon’ny ministera sy ny oniversite. Nohazavainy fa misy dingana maromaro ao anatin’ny « digitalisation », izay natomboka tamin’ny taon-dasa. Voalohany ny “qualification”, izay tsy maintsy lalovan’ny mpianatra rehetra, misy ny “commission de bourse”, izay ny eny amin’ny Oniversité no manatanteraka azy. Rehefa voafaritra ireo mpianatra hisitraka vatsim-pianarana, dia iny lisitra iny ihany no hanaovana fitsirihana sy fanamarihana any amin’ny Minisitera faobe. Mandefa azy any amin’ny paositra avy eo, miaraka amin’ny fangatahana ny vola tokony halefan’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola any amin’ny paositra, ary rehefa tonga sy mipetraka ao ny vola, dia mivoaka ny tetiandro. Efa vita tamin’ny taon-dasa ny «qualification», nanomboka ny voalohan’ny taona dia niroso tamin’ny fanavaozana sy ny fanamarinana ireo «données» ny minisitera niaraka tamin’ireo oniversite. Efa nisy ihany koa ny fizarana ny karatra ho an’ny oniversite Fianarantsoa, mitohy any amin’ireo Oniversite hafa, ka nanomboka omaly hatramin’ny 04 martsa ny an’ny Politeknika Vontovorona. Ny dingana manaraka dia ny « activation » na fampandehanana an’ireo karatra rehefa eo am-pelatanan’ny mpianatra, izay iarahana miasa amin’ny Paositra Malagasy. Afaka mamoaka ny tetiandron’ny fandraisana ny vatsim-pianarana araka izay mampety azy ny oniversite aorian’izay. Nanainga ny mpianatra mba ho tony ny minisitra, izay naneho fa anatin’ny fanafainganana ny tompon’andraikitra, ary manome tànana hatrany ny Minisitera.
Toky R
Légende: Ny Minisitra Pr Assoumacou Elia Béatrice omaly teny amin’ny toeram-piasany eny Fiadanana
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap