airtel

Fampianarana

20-sept-2022

Fampianarana

Minisitry ny fanabeazana Miezaka mandray lesona amin’ny firenena mikambana

Sample post image

Azo lazaina ho miezaka mandray lesona amin’ny firenena mikambana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Pr Marie Michelle Sahondrarimalala,

20-sept-2022

raha nampahatsiahy ny tenin’ny sekretera jeneralin’ity rafitra iraisampirenena ity, Antonio Guterres, hoe tokony ambonin’ny laharam-pahamehana ho an’ireo governemantantsika ny fanabeazana. Nampahatsiahiviny toy izany koa ny nambaran’ny tale jeneralin’ity rafitra ity izay miandraikitra ny fanabeazana sy ny siansa ary kolontsaina manao hoe tsy misy fampandrosoana ara-toekarena sy filaminana raha tsy eo ny fanabeazana. Ny fanovana sy ny fanatsarana ny fanabeazana dia tokony hiarahana amin’ny tanora, hoy hatrany ity minisitra ity. Vonona ve ny tanora malagasy? Arovy ny sekoly, ny ankizy ary ny mpampianatra. Masina ny fanabeazana, masina ny tanindrazana, hoy hatrany ny tenany. Tena ny tanora tokoa ve no mila andrasana ho vonona sa mila beazina ho vonona aloha? Tsy misy izay tsy miaiky ankehitriny fa mitotongana ny fanabeazana eto Madagasikara. Tena avy amin’ireo tanora ve ny tsiny sa avy amin’ny rafi-panabeazana tsy mety mari-pototra sy lany andro ankehitriny ?
J. Mirija
Legende: Ireo minisitra misahana fanabeazana isan’ambaratonga sy Alpha, ilay tovolahy nahazo ny laharana voalohany tamin’ny Bakalorea, Sokajy C.
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap