airtel

Fampianarana

07-déc-2022

Fampianarana

Minisitry ny fanabeazana Mpianatry ny ENS miisa 200 no raisina ho mpiasam-panjakana

Sample post image

Nisy avy hatrany ny serasera nataon’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondraharimalala Marie Michelle tao amin’ny tambazotran-tserasera vao raikitra ny grevin’ny mpianatry ny ENS (École Normale Supérieure).

07-déc-2022

Nialohan’io dia efa nisy afak’omaly ny fampahatsiahivana ireo naoty momba ny fandraisana mampianatra nataon’ny Minisitera. “Toy ny natao tamin’ny taona lasa teo dia horaisina ho mpampianatra raikitra ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena indray ireo mpianatra navoakan’ny (ENS) tsy an-kanavaka miisa 626 manana diplôme CAPEN sy MAPEN, dia handray « sortants ENS » LAPEN miisa 200 ihany koa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Isaorana ianareo mpampianatra niofana tao amin’ny ENS nampiseho fahavonona ny hanolo-tena ho an’ny zanaka malagasy. Maro aminareo tokoa no misafidy lalana hafa noho ny antony maro. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana no anton’izao ezaka fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana izao. Isaorana ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina amin’izao fanatanterahana ny Velirano faha-4 izao”, hoy ity Minisitra ity. Somary mifanalavitra ny kajy sy ny elanelan’isa raha ampitahaina ny fitakian’ny mpianatra sy ny nambaran’ny minisitra. Izy ireo izay milaza fa 1500, ary 700 latsaka no noraisina, izany hoe mbola misy 800 mahery tsy mbola voaray, raha toa ka 200 izany no isa ambaran’ny minisitra. Tsara kosa ny manamarika fa 9498 ireo mpiasam-panjakana ho raisina amin'ny taona 2023, raha ny voafaritra amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023. Ny 3488 no raisina amin’ny alalan’ny fifaninanana na “Concours”, ary 6 010 amin’ny alalan'ny fandraisana mivantana na “recrutement directe”, ka toy izao ny fitsinjarany: 3 943 ho an’ny Minisiteran'ny Fanabeazana izany hoe io no ambony indrindra, 500 an’ny Minisiteran'ny fahasalamana, 712 an’ny Ministeran'ny fampianarana teknika; 1270 ho an’ny ministeran'ny fitsarana, 1 420 ho an’ny ministeran'ny filaminam-bahoaka, 830 kosa ny an’ny ministeran' ny fiarovam-pirenena, ary 823 eo anivon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarmaria.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanomboka omaly 22 hatramin’ny 26 aprily ny herinandro maneran-tany ho an’ny fanabeazana,

Card image cap
23-avril-2024

Efa saika vita avokoa ny fandaharam-pianarana taonam-pianarana 2023-2024

Card image cap