Hizara fitaovana ho an'ireo ankizy sahirana ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena. Toraka izany koa ny sekoly hita fa tena tsy manana sy tsy ampy fitaovana. Nisy ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin'ny orinasa Huawei Madagascar sy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina niampy ny Tale Jeneralin'ny Huawei Madagascar, Julien WU, omaly Alakamisy 18 jona teo amin'ny tokontany malalaky ny Minisitera Anosy. Nahitana fitaovam-pianarana miisa 1. 300 ireo fanomezana ireo nahitana penina, kahie ary fitsipika. Toraka izany koa ny latabatra birao miisa 6 lehibe sy 30 antonony ankoatra ny seza miisa 40. Nanotrona izany lanonana izany ny Sekretera Jeneralin'ny Minisitera, Rasolofoniaina Ricardo sy ny Tale Kabinetran'ny Minisitera Raobison Michaël Alberteau ary ny Talen’ny Serasera BOTOALE Quesiah. Nanamafy ny fiaraha-miasany amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ny Huawei Madagascar ary vonona hatrany hifanohana amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny fanabeazana ny zanaka malagasy tsy ankanavaka eto Madagasikara. Tsiahivina moa fa efa nisy ny fitetezam-paritra notanterahin'ny Ministry ny fanabeazam-pirenena nijerevany manokana ireo sekoly tena mila fanampiana. Inoana araka izany fa tsy ho diso anjara ireo tena tokony hahazo tombontsoa amin'izany.
Pati
Légende : Manga ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta !