airtel

Fampianarana

23-févr-2021

Fampianarana

Ministeran’ny fampianarana teknika Hiara-kiasa akaiky amin’ny FID

Sample post image

Hiara-kiasa akaiky manomboka izao ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy

23-févr-2021

 

 

ny fanofanana arak’asa ary ny FID ( Fond d’Intervention pour le Développement). Hanamafisana ny traikefan’ireo olona mpahazo tombotsoa hanatanteraka ireo karazana asa sosily hotanterahina ho an’ny vahoaka eny anivon’ny Fokontany no anton’izany. Nitarika izany Atoa Tsikel’Iankina Ernest, Minisitry ny fampianarana teknika, notronin-dRtoa Razanadrainiarson Rondro, filohan’ny filankevi-pitantanana eo anivon’ny FID. Mikasika ny fananganana sekoly manokana dia ny FID no handoa ny vola raha omena fiofanana amin’ny fametrahana tsara ireo karazam-pitaovana toy ny vato, …. ireo mpiasa, asa hiarahana amin’ny Ministeran’ny Fampianarana teknika. Ankoatra an’Antananarivo dia anisan’ny hahazo tombontsoa amin’izany ny mponin’i Fianarantsoa, Toamasina, Toliara ary ireo distrika sasantsasany . Haharitra 12 volana ny fiaraha-miasa. Tsiahivina moa fa miisa 4 ireo asa sosialy hotanterahin’ny FID eto amintsika hiatrehana ny krizy dia ny Asa Avotra Mirindra, Fiavota, Vatsin’Ankohonana, ary ny Ndao Hianatra.

Pati

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap