airtel

Fampianarana

03-août-2026

MINISTRA LYLYSON

Miantso firaisankina amin'ireo

Sample post image

mpianatra zanak'i Sofia

03-août-2026

Noraisin’ny Jeneraly Lylyson René De Rolland, Minisitra ny fanajariana ny tany sady mpiahy ny Faritra Sofia, tao amin’ny trano fonenany teto Antananarivo omaly Alahady 02 Aogositra ireo Filohan’ny fikambanan’ny mpianatra zanaky ny Faritra Sofia mandranto fianarana eto an-drenivohitra. Toraka izany koa ireo solontenan’ny mpianatra zanaka Sofia manerana an’i Madagasikara. Narahin'ireo solontena avy amin’ireo Distrika miisa 07 mandrafitra ity Faritra ity izany. Nandritra ny fihaonana dia nitondra anatra sy hafatra ho an’ny tanora ny Minisitra, indrindra fa ny firaisankina sy ny fifanampiana eo amin’ny samy zanaky ny Faritra Sofia izay tena zava-dehibe tokoa. Toraka izany koa ny fahaizana miara-monina sy mifandray amin’ny Malagasy rehetra. Ankoatra izay dia nambara ny fanohanana amin’ny fametrahana Cyber ho an’ny mpianatra ny tenany izay kendrena hanampy amin’ny fanamboarana boky sy antontan-taratasy ilaina amin’ny fianarana ny Ministra , ka hanamora ny fiainan’ireo mpianatra zanaka Sofia ireo.
Nangonin'i Pati
Légende : Nandritra ny fihaonana omaly hariva !
 

Dans la même rubrique