airtel

Fampianarana

19-sept-2023

Mitohy ny fikatsoana eny Ankatso

Sorona tanteraka ny zana-bahoaka

Sample post image

Nanapa-kevitra ny SECES Sampana Antananarivo taorian'ny SIT-IN, izay notanterahiny ny 15 septambra fa hitohy

19-sept-2023

anio 19 septambra ny tolona ataon'izy ireo, araka ny fanambarany omaly. Antony, tsy mbola voavaly hatreto ny fitakiana. Voakasik'izany, ny tsy fandoavana ny karaman'ireo « Vacataires » nandritran'ny 5 taona (2018-2022), ny tambin-karama ara-pikarohana, ary ny tsy fanatanterahana ny didy hitsivolana dimy (5 décrets),…. Ny 80%-n'ity didy hitsivolana ity kosa dia efa voalamina raha ny loharanom-baovao avy eo anivon'ny Ministera voakasika, hoy ny SECES Sampana Antananarivo. Efa andalam-pandaminana ny ambiny ny fanjakana raha ny fanampim-baovao. Tsy manaiky ny fandoavana io ampahan'ny « 5 décrets » io ny SECES, fa mitaky ny fandoavana manontolo. Nanamafy ny SECES fa tsy mandà ny hampianatra ireo mpampianatra mpikaroka, raha feno ireo fepetra hahafahany manohy ireo. Napetraky ny SECES eo am-pelatanan'ny governemanta ny hoavin'ny fampianarana eny amin'ny anjery manontolo, araka ny fampitaom-baovaony. Olana mandavan-taona, resaky ny moana sy ny marenina, tsy firaharahiana ny fampianarana ambony, tsy fanomezan-kasina ireo mpampianatra mpikaroka, fanaovana sorona ny zanaky ny sarambabem-bahoaka,… ireo no azo hamaritana ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tena mbola manan-danja sy manan-kasina eo anatrehan’ny mpitondra Fanjakana ve ny fampianarana? Fitakiana efa an-taonany maro, fikatsoan’ny fampianarana ao anatin’ny telo volana,… saingy toa hodiana tsy hita. Tsy hisy fampandrosoana vanona sy hahomby ao anatin’ny fanaovana tsirambina ny tontolon’ny fampianarana izany satria ny “ny fampianarana no fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra hahafahana manova izao tontolo izao”, hoy I Nelson Mandela. Raha hamotika firenena iray dia tsy mila baomba atomika fa ny fampianarana ao aminy no potehina ka sanatria ve izany ilay tiana hahatongavana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap