airtel

Fampianarana

02-août-2023

Fampianarana

Mitohy ny fikatsoan’ny oniversite Lasa sorona ny zanaka Malagasy

Sample post image

Mitohy ny oniversite maty eny amin'ny anjerimanontolon'Antananarivo. Nanapa-kevitra ny hanohy izany hatramin'ny 07 aogositra indray ny Sendikan'ny

02-août-2023

mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra na ny SECES Sampana Antananarivo, taorian’ny fivorian’izy ireo omaly. Fandoavan’ny Fanjakana ny ora fanampiny na “Heures complementaires” misavovvona hatrany amin’ny taom-pianarana 2018-2019, ny “vacations”, “indemnité” sy ny fikarohana,… no isan’ny fitakian’ireo mpampianatra, raha tsiahivina. Nilaza ny Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo Pr Ravelonirina Sammy Grégoire, fa rehefa natao ny tombana dia tsy mahafa-po ny fandraisan’andrakitry ny Fitondram-panjakana. Herinandro lasa izay, efa nisy ny fametahana sora-baventy nataon’izy ireo manao hoe: “Miala, esory ireo tompon’andraikitra tsy mahomby”! Ankoatra ny SECES Sampana Antananarivo, nanambara ny fampitsaharana ny fampianarana ireo Mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny Fakioliten’ny lalàna sy ny siantsa politika na FDSP ny alatsinainy teo noho ny firaisan-kinany amin’ireo mpampianatra tsy raikitra na « vacataires » tsy nahazo ny tambin-karamany nanomboka ny 2018-2019, ny ahiahiny eo anatrehan’ny tsy fanajana ny zo maha mbola tsy voaheloka tamin’ny fisamborana ny namany tamin’ny raharaha bakalorea,… Lasa sorona hatrany ny zanaky ny sarambabem-bahoaka, tsy rototra ny mpitondra, raha tsy efa tena misy hetsika goavana sy mangotraka. Toa fifanilihana sy fifanomezan-tsiny no betsaka! Ny mpitondra mirehareha amin’ny hoe: nanangana fotodraitrasa, sekoly, nanangana oniversite,… izay isaorana azy tokoa amin’izay endriny ivelany izay. Fa manao ahoana kosa ny fotodrafitr’olona? Manao ahoana ny lentan’ny fampianarana? Tena manisy hajany sy vidiny ny fampianarana ambony miankina amin’ny Fanjakana ve ny fitondram-panjakana ankehitriny? Tsy miantraika amin'ny ankamaroan'ny mpitondra satria tsy mampiana-janaka amin'ny oniversitem-panjakana ny ankamaroany. Hatramin'ny Filoham-pirenena aza moa nilaza fa hanamorana ny fianaran-janany any an-dafy no nakany zom-pirenena Frantsay. Iza marina no sakana ao anatin'ny toe-draharaha? Hiandry fipoahana sy sakoroka vao ho taitra dia holazaina fa misy ambadika politika indray? Ny mpampianatra izay mitaky valin-katsembohany izay misy efa hatrany amin'ny 5 taona lasa ve no fositra manao takalon’aina ny fampianarana sy ny zanaky ny sarambabem-bahoaka sa ny mpitondra no minia bemarenina? Iza marina no fositra? Ny Minisiteran'ny fampianarana ambony izay mpiahy ve sa andraikitra mifampiankina? Eo ohatra ny Minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola izay mandrindra ny fikirakirana ara-bola hanodinana ny raharaham-panjakana. Sao dia mitovy amin'ny olan'ny làlana sy fikojakojana ny làlana izay nolazain'ny Minisitra iray teo aloha fa ny Praiminisitra sy ny Filoha no manome baiko tsy hamoahana ny vola? Na inona na inona antony, dia lasa sorona ny fampianarana sy ny zanaky ny sarambabem-bahoaka! Adino ve fa ny resaka fampianarana sy ny resaka fiangarana tao anatiny anie no nampipoaka ny raharaha 1972?
Toky R
 

Dans la même rubrique