Ho an’ny teto amin’ny faritra Analamanga manokana dia natomboka tamin’ny diabe niainga tetsy Antanimbarinandriana nihazo ny kianjan’ny Kanto Mahamasina ny fankalazana. Mpampianatra sy mpanabe anatin’ny fikambanana sy sendika samihafa avy amin’ny Ministera telo misahana ny fanabeazana eto amintsika no niaraka nanamarika ny hetsika. Niray feo izy ireo nandritra izany ka anisan’ny hetahetany ny hanatsarana hatrany ny hasina sy hijerena ny maha olona. Mbola betsaka amin’ireo mpampianatra mantsy no hiharan’ny tsindry hazolena sy herisetra. Nanambara ny fahavononany hanatsara ny sehatry ny fanabeazana ireo mpanabe eo an-danin’izany mba ho fanasoavana ny zaza Malagasy. Tonga nanome voninahitra ny lanonana no sady nisolotena an-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ny Sekretera jeneralin'ny METFP. Nambarany fa maro ny ezaka efa nataon’ny fitondram-panjakana eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ary ao anatin’izany ny fijerena manokana ireo mpampinatra, ny zo fototra tokony ho sitrahan’izy ireo.
Nangonin’i Pati