airtel

Fampianarana

16-juil-2021

Fampianarana

Mpampianatra mpikaroka manerana ny nosy Miisa 2584 monja raha ny fanisana farany

Sample post image

Tsy ampy be dia be ny isan’ny mpampianatra mpikaroka satria raha atao ny salan’isa dia mpianatra 57 isa no tazomin’ny mpampianatra iray. 167 izany ho an’ny oniversiten’I Toamasina.

16-juil-2021

Raha ny lasitra nomen’ny Unesco anefa dia tokony ho mpianatra miisa 25 isaky ny mpampianatra no fenitra iraisampirenena. Taorian’ny hahamehana ara-pahasalamana mandrak’anio dia efa mihoatra ny 50 ireo mpampianatra maty. Efa mihoatra ny 150 ny lasa nisotro ronono. Marina fa misy ny fanomezana “poste budgetaire” miisa 100 tamin’ny LFI 2021. Misy koa ny mbola fampanantenana fa hahazo 100 saingy tsy ampy izany satria mila mahazo izany miisa 500 isan-taona ao anaty 4 taona vao mety hihena ny ora fanampiny izay olan’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fandoavana azy satria vahaolana vonjy tavan’andro. Mpampianatra sy mpiasa mbola 3000 isa any vao foana io. 2584 monja raha ny fanisana farany no isan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra manerana an’I Madagasikara, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap