airtel

Fampianarana

08-juil-2021

Fampianarana

Mpampianatra mpitsara CEPE « Omeo ny vacation’nay fa aza odiana fanina »

Sample post image

Mangataka ny tokony handoavana ny vacation-ny na ny tambin-karama amin’ny fitsarana fanadinana, ireo mpampianatra mitsara ny fanadinam-panjakana CEPE.

08-juil-2021

 


 Raha tsiahivina mantsy dia efa nanomboka afak’omaly hariva izany, nitohy omaly tontolo andro. Notsiahivin’ireo mpampianatra fa tambin-karama na vacation tamin’ny taona 2018 no noraisin’izy ireo hatreto. Mbola tsy voaloha araka izany ny tambin-karama tamin’ny taona 2019, 2020 ary ny 2021 izay hangatahin’izy ireo ny handoavana azy mitambatra. Aza odiana fanina izahay mpampianatra hoy izy ireo fa izahay no tena miasa mafy. Mahatsapa mantsy izy ireo fa hataon’ny Fitondram-panjakana ankilabao hatrany amin’ireo fangatahana hataony nefa tena hiankinan’ny ain’ny asa fampianarana. Tsy mbola nahazoana valiny mifandraika amin’izao fangatahana hataon’ireo mpampianatra mitsara ny fanadinana CEPE izao moa ny teo anivon’ny Ministera tompon’andraikitra raha efa nilaza kosa izy ireo fa tsy maintsy hanao fanambarana.

Pati

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap