airtel

Fampianarana

06-oct-2022

Fampianarana

Mpanabe eto Madagasikara Tokony mba hanaraka ny fenitra ny karama, hoy ny UNESCO

Sample post image

Andro iray natokana hijerena ireo mpampianatra, mpanabe ny andro iraisampirenena ho an’ny fanabeazana, hoy ny avy eo anivon’ny rafitra iraisampirenena misahana izany anaty firenena mikambana na UNESCO.

06-oct-2022

Samy mahatsapa isika, hoy ny sekretera jeneralin’ny UNESCO eto Madagasikara, Manda Ravelojaona, ny anjara toeran’izany mpanabe izany maneran-tany. Samy nandalo tamin’izany daholo ny olona rehetra nanovo fahalalana, hoy izy. Ny andron’ny 5 oktobra dia andro iray natokan’ny UNESCO sy OIT hahatsiarovana ny mpanabe. Ny fanovana rehetra tiana apetraka, na eo amin’ny lafiny fanabeazana na fanatsarana fiainam-piarahamonina dia atomboka amin’ny mpanabe. Anton’izao hetsika izao, noho izany, ny hanambarana sy itenenana fa tokony ho jerena amin’ny lafiny rehetra ny mpanabe. Ny mpanabe dia mikolokolo ny mahaolona rehetra miatomboka amin’ny ara-batana, saina, fanahy, indrindra, famolavolana olompirenena vanona. Mendrika omena lanjany izany. Satria moa iarahana amin’ny sampana iraisampirenena momba ny asa na OIT ity dia tokony mba hifanaraka amin’ny fenitra ny tambin-karama sy asan’ireny mpanabe ireny. Tokony hisitraka asa raikitra, noho izany, ireo mpanabe ireo. Firy moa no mbola tsy manana asa raikitra, raha tsy hiteny fotsiny aho hoe eo amin’ny sehatra tsy miankina? Tonga, ohatra, ny fialantsasatra dia misy mpanabe tsy mandray karama. Isan’ny mba hangatahanay hoe na izay fotsiny aza no tanterantsika mandava-taona dia ny hoe misitraka karama na dia anaty fialantsasatra aza ireo mpanabe. Tokony jerena koa ny fampitaovana ireo mpanabe ireo hatrany ambany ravinkazo any, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

Legende: Manda Ravelojaona

 

 

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap