mpandinim-bolan’orinasa na «comptable», santionan’ireo asa irian’ireo mpianatra mpanala ny fanadinam-panjakàna BEPC na «Brevet d’étude du premier cycle» ireo, raha ny dinidinika nifanaovana tamin’ireo izay nanaiky hanao izany tamin’ny andro voalohan’ity fanadinana ity omaly alatsinainy 6 jolay 2026. Na dia mbola taona fahatelo eny amin’ny ambaratonga fahatelo na «classe de troisième» aza ireo mpiadina dia efa maniry hanana asa ambony, raha ny nambaran’izy ireo aloha. Efa tanjona hatramin’ny mbola kely, hoy i Kelly, mpiadina ao amin’ny foibem-panadinana etsy amin’ny CEG Betsimitatatra, ny ho lasa «comptable». Ho an’i Tafita kosa dia ny ho Dokotera no safidiny. Hanohy fianarana eny amin’ny LMA na Lisea maoderina eny Ampefiloha aho, hoy izy, raha afaka BEPC soa aman-tsara. Hanao «comptable» no efa nofinofiko hatramin’ny mbola kely, hoy ihany koa i Harenah, ary hianatra eny amin’ny lisea tekinika aho raha afaka soa aman-tsara. Azoazo hatreto, hoy hatrany ireto mpianatra ireto, ny fanadinana natao.
Nangonin’i J. Mirija