Mpiadina miisa 305. 836 no hiatrika izany izay mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 1.072. Ny efatra amin’ireo mpiadina ireo no fantatra fa dia tera-tany vahiny. Manana tsy fahatombanana ara-batana kosa ny 47 isa, izay marihina fa efa vonona tsara avokoa. Ny somary nampiavaka kely ny fanadinam-panjakana BEPC tamin’ity taona ity dia maro kokoa ireo nisafidy ny sopkajy B raha oharina amin’ny sokajy A izay tena nahaliana ny mpiadina teo aloha. Nahatratra 155.880 mantsy iretsy voalohany raha miisa 149. 956 kosa ireto farany. Toy ny mahazatra dia ny taranja matematika no tena atahoran’ny mpiadina ho an’ireo nisafidy ny sokajy A raha toraka izay ihany koa ny taranga tantara sy jeografia izay lesona be hatrany. Nisotra tamim-pilaminana ny fijerena ny efitranom-panadinana omaly ho an’ny teny amin’iny distrikan’Antananarivo Atsimondrano iny.
Pati
(Tahirin-tsary)